• Zoma 20 Martsa 2015
Politique.Fidy mpanentana Tsy mivaha ny krizy raha tsy tena fantatra ny olan’i Madagasikara

Ratolojanahary Mamy Fidisoa na i Fidy mpanentana no vahinin’ny Sokela anio zoma 19 martsa 2015 eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ka hanazava etoana ny amin’ny resaka fahitana sy faminaniana izay mihamahazo vahana eto amintsika ankehitriny. Tia Tanindrazana (T.T) : Inona marina moa ity resaka fahitana voizina rehefa miresaka anao ity Atoa Fidy mpanentana ary ahoana no mahatonga anao milaza fa mahita fahitana izany ?

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Martsa 2015
Politique.Mihorohoro ny HVM Kandida i Tojo Ravalomanana ?

Toy ny jiafotsy ny HVM : “vao tsy hialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo”. Vao miainga mantsy dia toa efa misavorovoro sahady ary niteraka resabe indray ny fisafidianana ny kandidà hitondra ny fanevan’ny HVM ao Antsirabe amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Martsa 2015
Politique.Fitokonana sy fitakiana Tsy mahita vahaolana ny Fanjakana

Mbola maizina ny hoavin’ireo mpiasam-panjakana manao fitokonana mitaky ny zony. Omaly tolakandro dia nanapa-kevitra ireo “Inspecteur de travail” sy “Contrôleur de travail » fa hanao fitokonana faobe na « grève générale »

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Martsa 2015
Politique.Onitiana Realy Mitolona ho an’ny zon’ny vehivavy

Tsy maintsy hampitoviana zo ny lahy sy ny vavy manomboka izao. Hisy lalàna faritra izay handidy ny politika hampiharin’ny minisitera sy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana rehetra mikasika izay hetsika rehetra ataon’izy ireo ho fampitoviana ny zon’ny lahy sy ny vavy

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Martsa 2015
Politique.Andry Rajoelina Ho fantatra anio izay tena heviny

Niverina an-tanindrazana ny talata teo ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina, taorian’ny nisintahany tsy hanohy dinika fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM. Hamory ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny MAPAR izy anio,

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Martsa 2015
Politique.Praiminisitra Ravelonarivo Hanao fety be any Farafangana

Lanonam-be any Farafangana rahampitso zoma. Hiseho vahoaka araka ny “fomba” any an-toerana ny jeneraly Ravelonarivo Jean, praiminisitra lehiben’ny governemanta am-perinasa. Maro ny olona nasaina hanome voninahitra ny lanonana amin’izany, ankoatra ireo maniry ny hidina any an-toerana hanotrona azy. Ny talata teo, teny Mahazoarivo teny, dia nisy fiantsoana ireo mpampanofa fiara tsy mataho-dalana eto an-drenivohitra. Ny antony dia mila 4x4 maromaro hitondra vahiny nasaina ho any Farafangana hifety.

Hamaky ny tohiny
FTT