Toy ny jiafotsy ny HVM : “vao tsy hialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo”. Vao miainga mantsy dia toa efa misavorovoro sahady ary niteraka resabe indray ny fisafidianana ny kandidà hitondra ny fanevan’ny HVM ao Antsirabe amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna.
Nandritra ny resaka nifanaovan’ny mpanao gazety tamin’ny Filoha Nasionaliny Rivo Rakotovao moa no nametrahana fanotaniana taminy momba ny kandidà “Parachutage”, izay nolaviny marindrano kanefa dia izany ihany no nitranga tao anaty fivoriana. Voalazan’ireo nanatrika mantsy fa olona tsy fantatr’izy ireo tao Antsirabe hatramin’izay ary tsy mba nifanerasera tamin’izy ireo akory no noterena tsy maintsy hatolotra ho kandidà. Vehivavy izy io, nanambady teratany vahiny ary voalaza fa baikon’ny tandapa no tsy maintsy haha kandidà azy ao Antsirabe.
Kandida atahorana..
Etsy an-daniny anefa dia efa mahoraka izao ny anaran’i Tojo Ravalomanana, izay tsy fanta-piaviana ny nivoahany fa efa miely eran’Antsirabe fa hatolotry ny Tiako I Madagasikara ho kandidà Ben’ny tanàna. Ao sahady no milaza fa efa vita ny fifidianana raha izany no mitranga. Efa mandeha ny fampangotsohana isan-karazany fa raha olona tsy miaraka amin’ny fitondrana no Ben’ny tanàna eo, dia ho potika Antsirabe, ka efa ampiasaina avokoa ny paika sy tetika isan-karazany handotoana ny Tiako I Madagasikara. Atahoran’ny sasany mafy izay mety ho kandida atolotry ny TIM ao Antsirabe, indrindra fa i Tojo Ravalomanana. Ity farany izay efa hita matetika teo anilan’ny rainy, ary tsikaritra fa tafiditra bebe kokoa amin’ny resaka politika noho ireo zanak’Atoa Marc Ravalomanana telo hafa.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.