Politique

Fitokonana sy fitakiana Tsy mahita vahaolana ny Fanjakana


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Mbola maizina ny hoavin’ireo mpiasam-panjakana manao fitokonana mitaky ny zony. Omaly tolakandro dia nanapa-kevitra ireo “Inspecteur de travail” sy “Contrôleur de travail » fa hanao fitokonana faobe na « grève générale »

manomboka ny alatsinainy izao. Io no tapak’ireo mpikambana sendikaly izay nivory teny Antsahavola omaly tolakandro. Toa tsy asian’ny fanjakana lanjany mihitsy mantsy ny fitakian’izy ireo. Izany no nitarainanay tany amin’ny birao iraisam-pirenena mikasika ny asa izay hampanao fanadihadiana manokana momba ity sata sy zonay ity amin’ny volana mey izao, hoy Razakaboana Hanitra, filohan’ny sendikan’ny “inspecteur de travail”. Ny zon’ny mpiasa amin’ny fanatanterahana ny asany sy ny sata mifehy azy ireo tsy ampiharina no mahatonga ny fitakiana.  Tratran’ny ampitso lava ihany koa ireo mpampianatra mpikaroka izay nitaky ny fampiharana ny zony ka dia manome roa herinandro an-dramatoa minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana Siantifika hamaly ny fitakian’izy ireo. Fitakiana izay ahitana lohahevitra efatra dia ny hanaovan-dramatoa minisitra sonia ny volavolana didim-pitondrana “Projet d’arrêté ” momba ny “indemnité de recherche”, ny fananganana komity hamolavola ny fampiharana ny mari-karama vaovao voafaritry ny lalàna 2009-1216, ny volavolana didim-pitondrana mikasika ny Emerita ary ny fandoavana ny ora fanampiny niasan’ireto mpampianatra mpikaroka ireto nandritry ny enim-bolana voalohany 2013-2014.

Tsy misy mangirana

Etsy an-kilany, tsy ahitana mangirana ny an’ny mpiasan’ny fananantany izay mbola mitaky ny fanatanterahana ny zo sy satan’izy ireo ihany koa. Ny mpiasan’ny tahirim-bolam-panjakana moa dia mbola mandrimandry manan’aretina. Nanaiky ny hiasa nandritra ny telo andro izy ireo mba ho fitsinjovana ireo beantitra mandray fisotroan-dronono dia avy eo lasa indray amin’ny fitokonana lavareny. Efa mandeha koa ny resaka ankehitriny fa mikononkonana hitokona ihany koa ny ao amin’ny banky foibe ho fandavana izay mety ho fihetsiky ny mpiara-misaika amin’ny fitondrana izay mety hanao barofo amin’ny vola ao. Ankoatra ny ao amin’ny banky foibe dia efa mihetsiketsika ihany koa ny mpiandry fonja sy ireo tantsambo. Ny mikasika ny an’ny mpiraki-draharaha moa dia aleo mipetraka indray aloha hoy izy ireo rehefa nahazo roapolo na dia ariary zato aza no nangatahina. Mbola andrasan’izy ireo kosa ny fanalana ireo mpiraki-draharaha izay ambaran’izy ireo fa tsy nianatra momba ny asa fa natrebona ao fotsiny. Raha fehezina, izay aleha maneno sahona avokoa.  Tsy misy vahaolana maharitra hita fa ny tsy hirehetan’ny afo  sisa no atao.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT