Tsy maintsy hampitoviana zo ny lahy sy ny vavy manomboka izao. Hisy lalŕna faritra izay handidy ny politika hampiharin’ny minisitera sy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana rehetra mikasika izay hetsika rehetra ataon’izy ireo ho fampitoviana ny zon’ny lahy sy ny vavy
. Io no nisongadina tamin’ny laha-tenin-dramatoa Onitiana Realy minisitry ny Mponina, ny fiahiana ara-tsosialy, ary fampiroboroboana ny vehivavy tany New- York. Fivoriana andiany faha-59 ny komity mpiahy ny vehivavy eo anivon’ny firenena mikambana ny 17 martsa teo. Nasongadiny tamin’izany ihany koa fa efa manomboka mandray anjara mavitrika amin’ny raharaham-pirenena ny vehivavy aty Madagasikara. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovan-dramatoa minisitra antso miezinezina fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara amin’ny fanarenana ny firenena Malagasy taorian’ireo loza voajanahary nandalo teto amintsika. Mba tsy hanimba ny ezaka efa vita tamin’ny fampitovianjo ny lahy sy ny vavy ny fahasahiranana sy ny fahoriana naterak’ireo loza voajanahary ireo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.