Politique

Andry Rajoelina Ho fantatra anio izay tena heviny


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Niverina an-tanindrazana ny talata teo ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina, taorian’ny nisintahany tsy hanohy dinika fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM. Hamory ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny MAPAR izy anio,

 

handamina ny raharahan-tokantranon’ity vondrona ity, indrindra ny amin’ireo solombavambahoaka namadika palitao ary koa handinika ny hoavin’ny fiaraha-miasan’ny MAPAR amin’ny fitondrana taorian’ny fanakianana nivantana nataon’ny filoha Rajaonarimampianina ireo nisintaka tamin’ny dinika fampihavanam-pirenena, nandritra ny fotoam-pivavahana teny Andrainarivo ny alahady 8 martsa lasa teo. Ho fantatra anio, araka izany, ny hevitr’i Andry Rajoelina amin’ny hiverenany na tsia hanohy ny dinika fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM. Miezaka mandresy lahatra ireo filoha roa nisintaka mba hiverina rahateo ireo filoham-piangonana, araka ny fanazavan’ny filoha am-perinasan’ny FFKM sady filohan’ny FJKM Rasendrahasina Lala, Mpitandrina.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT