Lanonam-be any Farafangana rahampitso zoma. Hiseho vahoaka araka ny “fomba” any an-toerana ny jeneraly Ravelonarivo Jean, praiminisitra lehiben’ny governemanta am-perinasa. Maro ny olona nasaina hanome voninahitra ny lanonana amin’izany, ankoatra ireo maniry ny hidina any an-toerana hanotrona azy. Ny talata teo, teny Mahazoarivo teny, dia nisy fiantsoana ireo mpampanofa fiara tsy mataho-dalana eto an-drenivohitra. Ny antony dia mila 4x4 maromaro hitondra vahiny nasaina ho any Farafangana hifety.
Taorian’i Jean Max Rakotomamonjy nanao fety be roa andro tany Andapa ny 6 sy 7 martsa teo, nametrahana ny samboady maha solombavam-bahoaka azy , dia ity hatao any Farafangana rahampitso ity izany no lanonambe faharoa ataona lehibena andrimpanjakana tato anatin’ny tapabolana. Be ny fanankianana re manodidina izany, toy ny hoe : raha misy vola holaniana amina fety ihany, maninona raha namonjena ireo traboina sy ny kere ? Mety ho izay angamba no nampiarahana ny lanonana hametrahana amin’ny toerany ny lehiben’ny Faritra vaovoa ao Atsimo Atsinanana, amin’ity lanonan’ny praiminisitra ity, mba hanakotankonana ny fandaniam-be hatao amin’izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.