Ratolojanahary Mamy Fidisoa na i Fidy mpanentana no vahinin’ny Sokela anio zoma 19 martsa 2015 eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ka hanazava etoana ny amin’ny resaka fahitana sy faminaniana izay mihamahazo vahana eto amintsika ankehitriny.
Tia Tanindrazana (T.T) : Inona marina moa ity resaka fahitana voizina rehefa miresaka anao ity Atoa Fidy mpanentana ary ahoana no mahatonga anao milaza fa mahita fahitana izany ?
Fidy mpanentana (F.M) : Mahatonga ahy mahita fahitana sy teny tsy hitan’ny olona rehetra tahaka izao dia misy karazany roa. Voalohany dia fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra no mahatanteraka ilay faminaniana voasoratra ao amin’ny Joela toko faha-3. Amin’ny andro farany dia hametraka ny Fanahy amin’ny nofy rehetra Andriamanitra ka izay olona mahazo an’io filatsahan’ny Fanahy io dia mahita fahitana sy teny tsy hitan’ny olona. Faharoa, ny olona rehetra dia manana maso sy sofina hafa ankoatra ny maso sy sofina hita eo amin’ny loha ireo. Ireo maso sy sofina hafa ivelan’ny mahazatra ireo no fahita amin’ny olombelona dia voatr’Izy Nahary ny zavatra rehetra sy handray zavatra ao ambadiky ny hitan’ireo maso sy sofina eo an-doha ireo. Izaho Fidy mpanentana dia nianatra nijery sy nihaino tamin’ireo maso sy sofina hafa ankoatra ireo hita eo amin’ny loha ireo ka manana ireo aho. Izay koa izany no nahatonga ahy mahita fahita sy teny tsy hitan’ny olona rehetra. Matetika ireo fahitana sy teny tsy hitan’ny olona ireo dia zava-miafina izay tsara ho fantatry ny Malagasy rehetra.
(T.T) : Iza no nampahita anao hanana izany toetra izany ?
(F.M) : Tsy olombelona no nampianatra ahy nijery sy nihaino tamin’ireo maso sy sofina faha-2 ireo fa Fanahy. Io fampianaran’ny Fanahy io dia mbola fahatanterahan’ny faminaniana ka hoe tsy hampianarin’olombelona ianareo. Mbola horesahina betsaka amin’ny manaraka eto io fampianaran’ny Fanahy io fa tsy vita eto.
(T.T) : Iza avy izany ireo afaka mahita fahitana sy teny tsy hitan’olona tahaka anao ?
(F.M) : Raha ny teny fikasana na koa faminaniana avy amin’Andriamanitra nampaherezany an’ireo mpaminany nifandimby fahiny dia izay rehetra noana sy mangetaheta ny fahamarinana dia afaka ny ahita fahitana tahaka ahy avokoa, indrindra afaka mianatra ihany koa mijery sy mihaino ireo maso sy sofina hafa ankoatra ny hita mahazatra eo amin’ny loha ireo. Fa ny mbola olana kely ny vahoaka malagasy dia mbola vitsy no mazoto mandinika ary be dia be ireo kamo mianatra na tsy te hisahirana.
(T.T) : Raha misy izany olona te hahita fahitana ka mba te hianatra sy hijery amin’ireo maso sy sofina faharoa ireo dia iza no afaka mampianatra azy ireo ?
(F.M) : Baiko mihitsy nomen’ny tenin’Andriamanitra ireo mpaminany talohan’ny niakarany tany an-danitra ny hoe : “ataovy mpianatra ny firenena rehetra” ka i Fidy mpanentana mandritra ity taona 2015 ity dia hanokatra toeram-pampianarana ara-panahy hampianarana izay liana fa mbola eo an-dalam-pitadiavana kosa ilay toerana ka ho hita manaraka eo ihany ny amin’izay. Fa izay efa te hianatra alohan’ny fisokafan’io ivontoerana io dia afaka manatona ahy araka ilay baiko voalaza ao amin’ny Matio 28:19 voalaza teo.
(T.T) : Tena samihafa amin’ny faminaniana ve io fahitana io ?
(F.M) : Misy ilay izy avy amin’Andriamanitra mivantana mihitsy na mipetraka na mandeha na matory dia mahita azy. Misy ilay mampahafantatra zavatra lasa na manambara koa zavatra ho avy. Manao faminaniana no fahalalan’ny olombelona azy. Misy mahasamihafa ny fahitana sy faminaniana. Ity farany mety ho feo fotsiny no heno fa ny fahitana dia sary hita miaraka amin’ny feo ohatra ireny mijery fahitalavitra ireny. Ny ankamaroan’ny fahitana sy teny hitan’i Fidy mpanentana dia zava-miafina sy nafenina hatramin’ny ela taloha nahavoafitaka ireo olona taloha ary mbola mitohy mahavoafitaka ny olona amin’izao fotoana izao ary mbola hitohy hahavoafitaka ny taranaka ho avy ihany raha tsy hampahafantarina ny Malagasy rehetra amin’izao fotoana izao amin’izay.
(T.T) : Azo hitsaboana aretina izany ity fahitana ity ?
(F.M) : Azo hamahana ny olana rehetra misy eo amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona ny fampiharana ny fahitana ary izay mihitsy no fomba fiasan’Andriamanitra hatramin’izay rehefa misy olana eo amin’ny firenena na eo amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona. Dia manontany mpahita sy teny tsy fahitan’ny olona manontany an’Andriamanitra dia hampitondrainy an’ilay mpahita ny fototry ny olana sy ny vahaolana . Ny filoham-pirenena sy ireo mpanao politika ary ireo mpitondra fivavahana sy ny vahoaka malagasy amin’izao fifanjevoana dia tsy mety tena mahita sy mahafantatra izay tena vahaolana sy izay tena hatao marina hamahana ny krizy sy olana misy eto Madagasikara, satria ny tsy fantatr’izy ireo ny tena fototry ny olana misy eto Madagasikara ka mitsapatsapa fotsiny. Izaho Fidy mpanentana dia mahita fahitana sy tena mampahafantatra ahy ny tena fototry ny olana eto Madagasikara sy izay tokony hatao marina hitadiavana vahaolana haingana.
(T.T) : Isaky ny inona ianareo no mahita fahita ary iza marina moa i Fidy mpanentana ?
(F.M) : Isaky ny manao ilay fomba fivavak’ireo PATRIARCHE sy mpaminany maro nifandimby fahiny mivavaka amin’ny Fanahy amin’ny Fanahy aho (Jaona 4:23-24) sy Lioka 11 dia mahita fahitana sy tena finoana ny vahoaka. I Fidy mpanentana dia tsy mpaminany araka ilay fieretriretan’ny olona azy fa mpahita ny lasa miafina sy ny ho avy tsy fantatry ny olona rehetra ary mampahatsiahy ny tenin’Andriamanitra izay voalazan’ireo “Patriarche” sy mpaminany fahiny izay tsara ho fantatry ny rehetra.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.