• Alarobia 02 Septambra 2015
Politique.CEI Hatsangana haingana hifidianana ireo loholona

Manaratsy endrika ny fifandimbiasam-pahefana demokratika ny fanilikilihana ny fandraisana anjaran’ireo sehatra rehetra eto amin’ny firenena hanolotra soso-kevitra amin’ny fananganana ny Vaomieram-pifidianana mahaleotena, hoy ny minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana Mahafaly Solonandrasana Olivier

Hamaky ny tohiny
  • Talata 01 Septambra 2015
Politique.Mankahery hatrany ny namana Nitsidika an’i Manandafy i Dada

Amin’ny andro sarotra no ahafantaranao izay tena namanao, hoy ny ohabolana. Ny ampitson’ny nandrenesany fa notapahana ny tongotr’i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko Mfm dia tonga namangy azy teny amin’ny hopitaly i Marc Ravalomanana. Araka ny efa notaterina teto omaly dia tsy maintsy notapahana ny tongotr’ity mpanao politika ity noho ny aretina nahazo azy izay nampivaingana ny rany ka manentsina ny lalandrany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 01 Septambra 2015
Politique.Solombavambahoakan’i Madagasikara Firy marina no mba efa nahavita ny tatitra amin’ny vahoaka ?

Mangina tanteraka ny tanàna eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza, zara raha misy andiany solombavambahoaka mivezivezy.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 01 Septambra 2015
Politique.CENI vaovao Tsy mitovy fijery sahady ireo antoko politika

Anjaran’ireo solontenan’ny antoko politika mijoro ara-dalàna indray no namoaka ny heviny momba ny rafitra CENI vaovao teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana omaly teny Antaninarenina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 01 Septambra 2015
Politique.Manao be marenina ny mpitondra Hikarakara fihaonambe entina handinihina izany ny TVMA

sy mihaino ny fikambanana intsony izay mijanona ho mpanolo-kevitra ny mpitondra ankehitriny, hoy ny fikambanan'ny tambajotrran’ny vahoaka mandray andraikitra tarihin'ny filoham-boninahiny Rakotomalala Désiré.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2015
Politique.Miaramila maty tany Ankazoabo Efa tsy eo vao ramalala

Tonga omaly maraina tao Ampahibe tao amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny vatana mangatsiakan'ireo miaramila matin’ny dahalo tany Ankazoabo.

Hamaky ny tohiny
FTT