Amin’ny andro sarotra no ahafantaranao izay tena namanao, hoy ny ohabolana. Ny ampitson’ny nandrenesany fa notapahana ny tongotr’i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko Mfm dia tonga namangy azy teny amin’ny hopitaly i Marc Ravalomanana. Araka ny efa notaterina teto omaly dia tsy maintsy notapahana ny tongotr’ity mpanao politika ity noho ny aretina nahazo azy izay nampivaingana ny rany ka manentsina ny lalandrany.
Tsy mifanary
« Niara-dia isika ary mbola miaraka ihany hatramin’izao satria tsy mifanary », hoy i Dada nankahery an’i Manandafy Rakotonirina. Nampihetsi-po ireo izay nahita tao anatin’ny tambajotran-tserasera izany vaovao izany ka nahatonga ny olona mpikirakira ny internet niteny hoe « Eo ihany ilay finamanana fa ilay fihetsika atosiky ny fahazavam-po no tena mahafinaritra sy mahatonga saina ». Maro ihany mantsy ireo mpanao politika nifanerasera tamin’i Manandafy Rakotonirina fa i Marc Ravalomanana no fantatra fa tonga teny amin’ny hopitaly nitsidika azy ary tsy nangatak’andro. Notendren-dRavalomanana ho praiminisitra ny volana aprily, tamin’ny taona 2009 i Manandafy Rakotonirina. Nosamborin’i Komanda Charles Andrianasoavina tamin’ny fomba feno herisetra tao amin’ny Carlton izy sy i Hanta Randriamandranto avy eo niaraka tamina manamboninahitra miaramila. Nogadraina tany Mantasoa i Manandafy Rakotonirina sy ireo namany ary efa hihazo an’i Maputo tamin’ny fifanarahana faharoa vao navoaka tany ary avy eo dia nihazo ny fiaramanidina teny Ivato ho any Mozambika. Nanomboka teo no tena nifandraisan’izy sy i Marc Ravalomanana akaiky, ankoatra ny efa nifaneraseran’izy ireo ihany mialoha ny 2009 satria anisan’ireo mpanolotsaina politikan’ny filoha Ravalomanana i Manandafy Rakotonirina.
AndryRatovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.