Tonga omaly maraina tao Ampahibe tao amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny vatana mangatsiakan'ireo miaramila matin’ny dahalo tany Ankazoabo.
Nandray andraikitra tamin'ny fampodiana ny razana ny fanjakana ary niatrika izany ny praiminisitra sy ny minisitry ny foloalindahy notronin'ireo fianakaviana sy rahalahy miaramila marobe. Tonga teny Ampahibe koa omaly ny filoham-pirenena niondrika tamin’ny vatana mangatsiakan’ireo miaramila lavo an’ady no sady nanome mariboninahitra.
Tsy ampy ny finiavana
Nampihetsi-po ireo izay nandre ny fahenoana ny tantara saingy indrisy efa zary lasa fiainana andavanandron’ireo mpitandro ny filaminana sy ny mponina any ambanivohitra lavitra andriana ny mandry andriran’antsy sy mitaintain-dava amin’ny afitsoky ny dahalo na malaso. Ny tena mampalahelo anefa dia tsy dia hita mazava ny finiavan’ny fanjakana hiady amin’ity firongatry ny malaso ity raha eo amin’ny politika nasionaly hoenti-miady amin’ny asan-jiolahy no jerena. Ankoatra ireo olon-tsotra maty sy very fananana vokatry ny hetraketraky ny malaso dia efa maro koa ny miaramila, zandary, polisy maty am-perin’ady amin’ny olon-dratsy. Marina fa efa nanao fianianana « Ho an’ny tanindrazana » izy ireny saingy tsy midika kosa izany hoe hatolotra ho faty ny miaramila Malagasy
Kolikoly
Tany Betroka, ankoatra ilay manamboninahitra zandary, lefitry ny komandy tao Betroka izay maty, dia efa nisy koa ny komandin’ny borigady maty tao. Mbola tao Betroka ihany, miaramilan’ny tafika roalahy no novonoin’ny malaso tamin’ny fomba mahatsiravina fa lany ny balany. Ny ampahatsiahivana izany rehetra izany dia ny ilazana fa tena misy ny miaramila miatrika ady eny an-kianja. Ny mampametra-panontaniana dia ny hoe mba inona no ataon’ny fahefana foibe amin’ny politika enti-miady ? Anisan’ny tena mahatafintohina ny mahita ireny mpanao afera na basy tratra ireny, basy sy bala an-jatony io kanefa dia afaka madiodio sy miriorio eny rehefa avy mandoa « écolage » any am-ponja. Ary mba lasa aiza daholo ireny basy sy bala maro tratra tany Toamasina sy tany amin’ny lalam-pirenena faha 7 ireny ? Sao dia efa tonga any am-pelatanan’ny malaso indray ireny ampiasainy amin’ny asa ratsiny. Tsy ho foana mihitsy io asan’olon-dratsy io na an-drenivohitra na ambanivohitra raha mbola manjaka koa ny kolikoly. Mahatsiaro ho ambonin’ny lalàna ny mpanao ratsy noho ny fisian’ny kolikoly. Misy ireo jiolahy raindahiny efa any am-ponja izao noho ny « kidnapping » dia mbola tafavoaka ihany telo taona aty aoriana ary miray tsikombakomba amin’ny mpitandro ny filaminana mbola manao kidnapping ihany. Nampanantena ny praiminisitra fa ho foana ny kolikoly saingy toa ny mifanohitra amin’izany no hita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.