Anjaran’ireo solontenan’ny antoko politika mijoro ara-dalàna indray no namoaka ny heviny momba ny rafitra CENI vaovao teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana omaly teny Antaninarenina.
Nampiavaka ny fihaonan’ireto mpanao politika an-jatony nikaondoha ireto ny tsy fisian’ny fitoviam-pijery iombonana toy ny hita nandritra ny atrikasa niarahan’ireo firaisamonim-pirenena. Toy izao ireo hevitra samihafa heno teny an-toerana
Vaovao Benjamin (Arema)
«Ny minisiteran’ny Atitany irery ihany no manana rantsamangaika eny ifotony afaka manatontosa ny fanisana ireo mpifidy ara-dalàna. Tokony hijoro ho mpanara-maso, mpandrindra ary mpandamina kosa ny CENI saingy manana ny fahaleovantenany ara-bola sy ara-drafitra».
Rakotovao Rivo (HVM)
«Efa mipetraka niaraka tamin’ny CENI-T ny fototra. Ilaina kosa ny fanavaozana miaraka amin’ny fanatsarana ny fanatanterahana ny asan’ireo ho mpikambana ao amin’ny rafitra Ceni vaovao».
Rajaonarivelo Pierrot (MDM)
«Lasa aloha loatra ny fakan-kevitra momba ity rafitra hisahana ny fifidianana ity. Tokony ho nandrasana ny fitsanganan’ny Antenimierandoholona vao niroso tamin’ny fandinihana ny CENI vaovao. Mandringa mantsy ilay eritreretina ho fanavaozana ifotony tiana hapetraka eto amin’ny firenena».
Randriamahefa Charles (Adhem Fizafa)
«Tapitra ny andraikitry ny CENI-T izay nahitana lesoka toy ny fanovana fitsipi-dalao teny am-pandehanana. Fotoana izao hametrahana rafitra vaovao hitantanana ny fifidianana mba hisian’ny tena fampandrosoana ny fiarahamonina».
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.