• Alakamisy 29 Oktobra 2015
Politique.Mamy Rajaonson Andrasana amin’ny Ceni vaovao ny fitandrovana ny fahamarinana

Tsara homarihana, hoy ny depiote Rajaonson Lantoarijaona Maminirina Tsitohaina voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-III eto Antananarivo-Renivohitra, fa matoa niantefa tamin’Atoa Rakotonarivo Thierry, ny safidin’ireo solombavambahoaka dia satria eo ilay traikefa efa hananany amin’ny fikarakarana ny resaka fifidianana ka na dia samy nanana traikefa koa aza ireo kandidà hafa dia izy izany no nandresy lahatra ny depiote ny fandresen-dahatra nataony

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 28 Oktobra 2015
Politique.Ny kere mamono Ny filoha miala sasatra any Frantsa

Tsy miasa loha firy amin’izay fahoriam-bahoaka ny fahatsapana ny zavatra ataon’ny filoham-pirenena malagasy. Ny vahoaka matin’ny hanoanana any atsimo, izy mianakavy migalabona manao fiainana ary miantsena any amin’ny Galerie Lafayette any Paris Frantsa.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 28 Oktobra 2015
Politique.Fifanolanana momba ny labatoara Nampiaka-peo ny TIM

Mitohy ny fanehoan-kevitra mifanohitra mikasika ny ady tany eny Andohatapenaka eo amin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy ny fitondram-panjakana tarihan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 28 Oktobra 2015
Politique.Andrianarivo Harimampianiana Razakarivelo « Tsy mieritreritra haka ny toeran’ny filoha aho »

Tsy manan-kevitra velively ny hanolo toerana ny filohan’ny Antenimiera am-perinasa, araka ny feo mandeha etsy sy eroa ny tenako, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Fianarantsoa, Andrianarivo Harimampianiana Razakarivelo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 28 Oktobra 2015
Politique.Solontenan’ny mpanao gazety ao amin’ny CENI Mbola Rakotondrazaka Fano ihany

Rakotondrazaka Fano izay efa nisolotena ny mpanao gazety teo anivon’ny Ceni-T ihany no nofidian’ny mpikambana eo anivon’ny holafitry ny mpanao gazety hisolotena ny fianakaviamben’ny mpanao gazety indray eo anivon’ny Ceni vaovao. Afak’omaly moa no nanaovana ny antso ho an’ireo izay te hilatsaka hofidiana ary omaly tolakandro no nanaovana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 28 Oktobra 2015
Politique.Thierry Rakotonarivo Solontenan’ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny CENI

Mba nirohotra maro alinalina teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena indray ireo depiote miatrika ny fivoriana ara-potoana faharoan-dry zareo omaly talata 27 oktobra. Nitombo ny isan’ireo depiote nanatrika ny fivoriana nitambaram-be omaly

Hamaky ny tohiny
FTT