Rakotondrazaka Fano izay efa nisolotena ny mpanao gazety teo anivon’ny Ceni-T ihany no nofidian’ny mpikambana eo anivon’ny holafitry ny mpanao gazety hisolotena ny fianakaviamben’ny mpanao gazety indray eo anivon’ny Ceni vaovao. Afak’omaly moa no nanaovana ny antso ho an’ireo izay te hilatsaka hofidiana ary omaly tolakandro no nanaovana ny fifidianana
. Sivy ireo mpanao gazety nilatsaka hofidiana ka i Fano no nahazo vato 7 tamin’ireo komity miisa 15 teo anivon’ny holafitra. Nandrenesana fanakianana ihany ny fomba fiasan’ity holafitry ny mpanao gazety ity satria maro ireo niandry fifidianana izay tokony ho nataon’ny mpanao gazety manana karatra maha matihanina rehetra saingy tsy izay no niseho fa nofidian’ny komitin’ny holafitra ny solontena dia vita. Raha ny fiverenan’i Fano amin’ny toerany aloha dia tsy dia hita loatra izay maharatsy azy fa ilay fomba nataon’ny holafitra no nanafintohina ny mpanao gazety sasany izay toa nanakana ny zon’ny hafa angamba. I Fano dia efa mahalala tsara ny asa miandry ny mpanao gazety eo amin’io sehatra io ka inoana fa tsy hanalabaraka ny mpanao gazety.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.