Politique

Mamy Rajaonson Andrasana amin’ny Ceni vaovao ny fitandrovana ny fahamarinana


  • Alakamisy 29 Oktobra 2015

Tsara homarihana, hoy ny depiote Rajaonson Lantoarijaona Maminirina Tsitohaina voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-III eto Antananarivo-Renivohitra, fa matoa niantefa tamin’Atoa Rakotonarivo Thierry, ny safidin’ireo solombavambahoaka dia satria eo ilay traikefa efa hananany amin’ny fikarakarana ny resaka fifidianana ka na dia samy nanana traikefa koa aza ireo kandidà hafa dia izy izany no nandresy lahatra ny depiote ny fandresen-dahatra nataony

. Ny handrasana aminy sy ireo namany rehetra handrafitra ity rafitra Ceni ity, amiko Rajaonson Mamy, dia ny hisian’ny fifidianana tena mangarahara araka ny rariny sy ny hitsiny ka antenaina fa hanaja toy ny anakandriamaso ny fahamarinana sy ny mangarahara eo amin’izay fanatanterahana fifidianana izay. Aoka tsy hiverina intsony ny hoe nisy hala-bato tatsy na hisy ny fitoriana be dia be noho ny tsy fahatomombanan’ny fizotran’ny fifidianana fa tena manimba ny fizotran’ny demokrasia, hoy ity depiote ity.

Ntsoavina Evariste

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT