Politique

Andrianarivo Harimampianiana Razakarivelo « Tsy mieritreritra haka ny toeran’ny filoha aho »


  • Alarobia 28 Oktobra 2015

Tsy manan-kevitra velively ny hanolo toerana ny filohan’ny Antenimiera am-perinasa, araka ny feo mandeha etsy sy eroa ny tenako, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Fianarantsoa, Andrianarivo Harimampianiana Razakarivelo.

 

Ny ho solombavambahoakan’i Madagasikara no nifidianan’ny vahoaka ahy, hoy izy, ary efa lany ho filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ny tenako ka tsy manam-paniriana velively ny hanongana ny filoha am-perinasa ka hibodo ny toerany sanatria. Tsy teto an-toerana nandritra ny andro maromaro ny tenako, hoy ity depiote avy any Ambositra ity ka tamin’ny alatsinainy teo vao naheno ity siosion-dresaka amin’ny faniriana hanongana ny birao maharitra ety amin’ny Antenimiera ity. Ambarako mazava anefa, hoy izy, fa ny fikatsahana fitoniana no tadiavina eto amin’ity firenana ity ankehitriny ka tsy lalana mankany ny resaka fifanonganana.

Ntsoavina Evariste


  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT