Mba nirohotra maro alinalina teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena indray ireo depiote miatrika ny fivoriana ara-potoana faharoan-dry zareo omaly talata 27 oktobra. Nitombo ny isan’ireo depiote nanatrika ny fivoriana nitambaram-be omaly
. Nahaliana ireto depioten’i Madagasikara ireto izany iny fandaharam-potoana nandaniana ny ho solontenan-dry zareo ho ao amin’ny CENI na ny rafitra mahaleotenam-pirenena hisahana ny resa-pifidianana eto amintsika. Tamin’ny 6 ora hariva tany vao nanomboka ny fivoriana notarihan’Atoa Rakotomamonjy Jean Max filohan’ity andrim-panjakana ity. Taorian’ny fihainoana 5 mn avy an’ireo kandidà neken’ny vaomiera manokana fa nahafeno fepetra hirotsaka amin’ny toerana vao niroso tamin’ny fifidianana miafina ireo depiote 116 tavela tao an’efitrano fivoriana. 7 moa no isan’ireo kandidà nahazo fankatoavana dia Rtoa Rafolisisoa Hanitriniala, Benarivo Andrianaly Narcisse, Rakotonarivo Thierry, Rasolonjatovo Jean, Rakotoniaina Louis de Conzague, Rakotoniaina Andréas, Rtoa Haingo Josée fa ny 5 ihany no nanao fampielezan-kevitra. Lanin’ireo depiote tamin’ny isam-bato 64 ary ny kandidà Rakotonarivo Thierry, 48 kosa no azon’ny faharoa : Benarivo Andrianaly ary 4 no vato azon’ny kandidà Rafolisisoa Hanitriniala, 0 avy kosa ny an’ireo kandidà roa farany. Nisongadina teny Tsimbazaza omaly nialoha ny nidiran’ireo depiote tao anaty efitra fivoriana ny fitsitokotokoan’izy ireo tetsy sy teroa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.