Politique

Fifanolanana momba ny labatoara Nampiaka-peo ny TIM


  • Alarobia 28 Oktobra 2015

Mitohy ny fanehoan-kevitra mifanohitra mikasika ny ady tany eny Andohatapenaka eo amin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy ny fitondram-panjakana tarihan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean.

 

 Nanambara sy nanamafy indray mantsy ny teo anivon’ny sampandraharahan’ny fandrefesantany eny Anosy omaly fa mbola fananam-panjakana io tany mifanolo-bodirindrina amin’ny hopitaly manarapenitra eny Andranovaky io. Zon’ity farany noho izany ny mivarotra ny tany amin’ny Seimad izay tompony ankehitriny. Mihevitra ny hitondra ny raharaha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa ny Tiako I Madagasikara rehefa tsy voavahan’ny mpitondra Malagasy ny olana, araka ny fanazavana taorian’ny fivorian’ny solombavambahoaka, minisitra ary ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny antoko niaraka tamin’ny filoha nasionaly teny Faravohitra omaly.

Mitohy ny fibodoan-tany

Nandritra ny fitondrana tetezamita no nanomboka nampirongatra ny fibodoan-tany teto amin’ny firenena Malagasy, hoy ny solombavahoakan’i Madagasikara sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Razafimanantsoa Hanitra. Noeritreretina fa nifarana niaraka tamin’ny fitondrana tsy ara-dalàna nitantana nandritra ny 5 taona mahery io fomba mamohehatra io kinanjo manohy ny fomba tsy mety sy tsy mendrika ny fitondram-panjakana milaza ho manaja sy tan-dalàna. Manana taratasy ara-dalàna mikasika ny tany eny Andohatapenaka ny Tiko Agri taorian’ny fifampivarotana tamin’ny taona 2008 saingy tsy nomen’ny mpitondra mahefa lanja ny fisian’izany. Manohitra sy manameloka ny tsy fanarahan-dalàna mibaribary hataon’ny mpitantana mpanatanteraka ny antoko Tiako I Madagasikara, hoy ity mpikambana ao amin’ny fahefana mpanao lalàna sady mpisolovava ity.

Fanadihadiana parlemantera

Niray feo ihany koa ireo vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara milaza fa maro loatra ireo fanapahan-kevitra miaraka amin’ny fampiharan’ny fahefana mpanatanteraka no mifanipaka amin’ny lalàna velona eto Madagasikara. Antom-pisian’ny fahefana mpanao lalàna voalohany anefa ny manara-maso ny asan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny rantsa-mangaikany saingy toa manadinodino izany ireto farany, hoy ny filohan’ny gropy parlemantera TIM Andriahitantsoa Benjamin. Efa mijoro eny amin’ny Antenimieram-pirenena moa ny vaomiera isan-tsokajiny ary efa miroso amin’ny fanadihadiana mikasika ireo trangan-javatra samihafa mafampana ilaina hazavaina amin’ny vahoaka ireo parlemantera amin’izao fotoana izao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny resaka momba ny fananantany ka hiezaka ny depiote TIM ny hampiditra ity raharaha mampifanolana ny fanjakana amin’ny orinasa Tiko an’ny filoha teo aloha ity.


Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT