Politique

Ny kere mamono Ny filoha miala sasatra any Frantsa


  • Alarobia 28 Oktobra 2015

Tsy miasa loha firy amin’izay fahoriam-bahoaka ny fahatsapana ny zavatra ataon’ny filoham-pirenena malagasy. Ny vahoaka matin’ny hanoanana any atsimo, izy mianakavy migalabona manao fiainana ary miantsena any amin’ny Galerie Lafayette any Paris Frantsa.

 

 

Mandritra ny fotoana iadian’ny governemanta amin’ny doro tanety aty an-tanindrazana izay tsy  ahitan’izy ireo vahaolana hatramin’izao, miakatra an-drenivohitra ankehitriny ny setroka ka  manempotra ny mponina ary efa maro  ireo mitaraina fa marary tratra  noho ny afitsoky ny fahasemporana, ny ady lahy politika ateraky ny fibodoan’ny fanjakana ny tanin’i Dada Ravalomanana sy ny fanambarana nataon’ireo mpamatsy vola ny amin’ny tsy fahatokisany ny fitondram-panjakana ka tsy amoahany vola, ny Filoham-pirenena sy ny fianakaviany miaraka amin’ireo mpiara-misaika aminy akaiky  migalabona any anaty hotely raitra dia raitra any   Parisy Frantsa ao  amin’ny  hotely fisakafoanana Just’in ao  amin’ny trano fandraisam-bahinin’i Pullman Montparnasse. Volam-bahoaka, volam-panjakana no laniany amin’izany. Ny mpanao gazety mpiara-miasa any an-toerana izay  nampita ny vaovao dia  nanambara fa indray andro maninjitra  ny Filoha sy ny fianakaviany no niantsena tao amin’ny  toeram-piantsenana  malaza  lehibe iray any Frantsa antsoina hoe  « Galerie Lafayette ». Tsy  hoe  rehefa  filoham-pirenena  ny tenany  dia tsy  hanana ny zo hanao  ny fiainany  manokana intsony saingy  mipetraka ihany ny fanotaniana hoe inona  no ataony any amin’izao fotoana mampivaivay ny fahasahiranam-bahoaka sy ny mosary sy ny kere any  atsimo izao ? Asam-panjakana ve no diany any ?  Nahoana no tsy nampahafantarina ny vahoaka ? Raha fialantsasatra, fotoana ve izao ? Tokony hambarany mazava hoe volam-bahoaka na volan’izy mivady  manokana no laniany any. Rehefa   mody aty  an-tanindrazana indray  dia maro  ireo   mpandeha ny  kaompania Air Madagascar no mitaraina  rehefa  tafaraka amin’ny  filoham-pirenena  satria betsaka ny entana entin’izy ireo mody ka voatery  ahena avokoa ny an’ny mpandeha hafa. Misy milaza mihitsy  ireo mpiasan’ny Air Madagascar fa mahatratra hatrany amin’ny 80 isa ny valizin’ny mpiara-dia amin’ny  filoha iray manontolo. I Madagasikara anefa amin’izany  rehefa alahatry ny mpandinika  fiarahamonina eran-tany dia  any  amin’ny rambondrambony any  ny  laharantsika amin’ny  tahan’ny harinkarena faobe. Tsy arakaraky ny  fihetseketsehan’ny  mpitondra sy ny fianakaviany.


Rabri

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT