• Alatsinainy 24 Aprily 2017
Politique.Leader Fanilo Jean Max Rakotomamonjy no filoha ara-dalàna

Manamafy ary manizingizina ny avy ao amin’ny birao nasionalin’ny antoko Leader Fanilo fa fisandohana nyanaran’ny antoko no ataon’izay olona miteny etsy sy eroa ka tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny filoha nasionaly Jean Max Rakotomamonjy sy ny birao nasionaly.Efa mazava ny taratasy hoy izy ireo ka tsy tokony asiana adihevitra be intsony ;

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 24 Aprily 2017
Politique.Praiminisitra Solonandrasana “Aoka tsy hifanoso-potaka”

Nampiaka-peo ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ny faran’ny herinandro lasa teo fa aleo ny fitsarana hanao ny asany, ary aoka tsy hifanoso-potaka amin’ny zavatra tsy misy porofo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 24 Aprily 2017
Politique.Tanoran’ny DISTIM Toamasina I Ravalomanana ho filoha no tanjona

Nanao ny fifampiarahabany noho ny taona vaovao tao amin’ny foiben’ny Tiako I Madagasikara ao Ambodisoanambo, ireo tanoran’ny Distrika Tim (Dist-Tim) Toamasina I, izay notarihan’ny mpandrindra azy ireo, Raharivelo Jerry sy Razanadrakoto Tokiniaina.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 24 Aprily 2017
Politique.Minisitra tsy mety voadaka Nandoa vola hatramin’ny 4 miliara Ariary ?

Tsy nesorina tamin’ny toerany ireo minisitra maromaro voalaza fa malaza amin’ny kolikoly sy ny afera maizina.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 22 Aprily 2017
Politique.Leader Fanilo Tany tsy misy fanjakana i Madagasikara

Mahery vaika ny fanambaran’ny antoko Leader Fanilo manoloana ny raharahampirenena. Nivantana ny tenin’ity antoko naorin’i Herizo Razafimahaleo ity, fa toy ny tany tsy misy fanjakana intsony eo Madagasikara, ary mihavery ny maha izy azy ny Malagasy. Tsy voaaro ny ainy sy ny fananany na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, potehina ny soatoavina.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 22 Aprily 2017
Politique.Marc Ravalomanana sy Zafy Albert Nihaona manokana teny Ivandry

Nihaona manokana teny amin’ny amin’ny Villa La Franchise Ivandry ny filoha teo aloha Zafy Albert sy Marc Ravalomanana omaly.

Hamaky ny tohiny
FTT