Politique

Minisitra tsy mety voadaka Nandoa vola hatramin’ny 4 miliara Ariary ?


  • Alatsinainy 24 Aprily 2017

Tsy nesorina tamin’ny toerany ireo minisitra maromaro voalaza fa malaza amin’ny kolikoly sy ny afera maizina.

 Maro tamin’izy ireny no nalaza fa nanome volabe ny olona nanohana azy tamin’ny nahazoany ny sezany ary mbola vonona ny handoa volabe amin’ny fijanonany amin’ny fahefana. Voalaza fa nisy hatramin’ny 22 miliara ariary mihitsy ny sandan’ny nametrahana ny minisitra iray tamin’ny sezany, ka ireo mpiray afera aminy, toy ny karana sy ireo mpanefoefo malaza amin’ny afera no mandoa izany volabe izany, ka avela malalaka amin’ny aferany izy ireny avy eo. Lasa mpanao afera maizina sy kolikoly ireo minisitra sasany, saingy sarotra ny hikitika sy hanaisotra azy amin’ny toerany noho ny volabe efa mety naloany tamin’ny olona nanendry azy. Sarotra ihany koa ny hanagadra na hanenjika azy ara-pitsarana satria efa voafatotry ny volabe vidin-tseza ny olona tompon’ny teny farany tamin’ny fanendrena azy ireny, ka dia mifampiaro fatratra izy ireo sao hipoaka eo ny afera.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT