Mahery vaika ny fanambaran’ny antoko Leader Fanilo manoloana ny raharahampirenena. Nivantana ny tenin’ity antoko naorin’i Herizo Razafimahaleo ity, fa toy ny tany tsy misy fanjakana intsony eo Madagasikara, ary mihavery ny maha izy azy ny Malagasy. Tsy voaaro ny ainy sy ny fananany na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, potehina ny soatoavina.
Novakian’ny Leader Fanilo bantsilana ihany koa fa dia manararaotra manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny vahiny. Manoloana ny tsy fandriampahelama manjaka, ny kolikoly sy ny tsimatimanota manenika ny sehatra rehetra, ny fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka ary ny tsy fanomezana tombondahiny ny Faritra, manampy trotraka ny fitarazohan’ny fampiharana ny tena fitsinjaram-pahefana dia maneho ny ahiahy ny Leader Fanilo fa tandindonin’ny ady an-trano ny firenena. Izao dia vokatry ny tsy fanajana ny Etika na fitsipi-pitondrantena ara-môraly eo amin’ny fanaovana politika sy ny fitondrana ny raharaham-pirenena, noventesin’ny Leader Fanilo 20 taona lasa mahery izay, hoy hatrany ny fanambarana. Mahavelom-panantenana ny fihetsiky ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara ary irariana ny hitorian’ny SMM sy hitsarana ireo mpitsara manoso-potaka ny fitsarana sy ny fianakaviamben’ny mpitsara, hamerenana ny fitokisan’ny Malagasy ny Fitsarana. Mitaky maika ny hisian’ny fifanatonana sy ny fikaonan-doha ihany koa ity antoko ity, hamaha izao olana mandrendrika ny Firenena izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.