Nampiaka-peo ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ny faran’ny herinandro lasa teo fa aleo ny fitsarana hanao ny asany, ary aoka tsy hifanoso-potaka amin’ny zavatra tsy misy porofo.
Ny resaka Claudine Razaimamonjy no tiany hiaviana. Anisan’ny olona mety tsy ho afa-bela anefa izy noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanomezana tsenam-baro-panjakana sy ny mety ho firaisana tsikombakomba tamin’i Claudine Razaimamonjy. Tsy voadaka tamin’ny toerany aloha izy dia mbola afaka mirehareha sy midingin-drambo. “Aleo ny fitsarana hanao ny asany, hoy izy. Azo antoka fa tsy sahy hikitika azy ny fitsarana matoa tsy nisy hatreto ny fanadihadiana nataon’ny Bianco sy ny fitsarana momba azy, kanefa dia niainga avy tao amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny fanomezana tsenam-panjakana nisian’ny kolikoly avo lenta nahavoarohirohy an’i Claudine Razaimamonjy. Mandrak’ankehitriny, tsy sahy nitondra fanazavana mikasika izany ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay toa mahatoky fa hiaro na tsy hikitika azy ny fitsarana, ary toa izay tokoa no miseho amin’izao fotoana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.