Politique

Tanoran’ny DISTIM Toamasina I Ravalomanana ho filoha no tanjona


  • Alatsinainy 24 Aprily 2017

Nanao ny fifampiarahabany noho ny taona vaovao tao amin’ny foiben’ny Tiako I Madagasikara ao Ambodisoanambo, ireo tanoran’ny Distrika Tim (Dist-Tim) Toamasina I, izay notarihan’ny mpandrindra azy ireo, Raharivelo Jerry sy Razanadrakoto Tokiniaina.

  Nandritra ity fiarahana teo amin’ny tanoran’ny Dist-Tim ity no namerenan’izy ireo nanamafy ny fanohanany ny filoha Ravalomanana amin’ny fifidianana hiseho eto amin’ny firenena ny taona 2018. Noho izay indrindra no nanaovan’ireo mpandrindra ny tanoran’ny Dist-Tim mirahalahy antso ho an’ireo tanora eto Toamasina sy ireo tanora Tim namany tsy ao anatin’ny  fikambanana fa “ny tonga miaraka ihany no fanombohantsika, ny miasa miaraka no fahombiazantsika miaraka amin’ny filoha Ravalomanana”. Nohamafisin’izy mirahalahy hatrany fa “ilaina ny fanambarana ny hery, ny firaisankina, satria tsy hitsaitsaika isika amin’ny fanohanantsika ny filohantsika, fa tena hirodorodo mihitsy…”. Niatrika izao lanonan’ny tanoran’ny Dist-Tim izao koa ny senateran’i Madagasikara voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tim Toamasina, Randriantsalama Jacky, izay nitondra hafatry ny filoha Ravalomanana, fa “antoko misokatra amin’ny hafa ny antoko Tim, antokon’ny fampihavanana sy ho an’ny fihavanana isika, ka antsoy sy entano ny rehetra hiaraka sy hiverina ato amintsika, fa ny miara-mita ihany no antoky ny fandresentsika”. Ho an’ny filohan’ny Dist-Tim Toamasina I izay mpanolotsaina Tim eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ihany koa, Andrianierifera Malalaniaina, fa “sambo iray no misy antsika rehetra koa tsy mahasoa ny antokontsika, sy ny tanjona hotratrarina atsy ho atsy ny milomano irery ivelan’ny sambo iarahana, koa atambaro ny hery, antsoy ny namana, isika miaraka ihany no antoky ny fandresentsika…”.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT