• Zoma 09 Martsa 2018
Politique.Politika sy raharaham-pirenena Mbola tompon’ny ketrika Ratsirahonana

Fanta-daza sy havanana amin’ny resaka kajikajy mikasika ny lalàna mifamatotra amin’ny politika eto amin’ny firenena i Norbert Lala Ratsirahonana ary nitety ny vanim-potoana mihitsy. Hita foana ary ampiasain’ny mpitondra hatrany amin’ny fanamarinan-toerana azy amin’ny alalan’ny lalàna isan-karazany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Martsa 2018
Politique.Vehivavy MFM Ny fanabeazana no fototry ny fampandrosoana

“Arakaraka ny toerana misy azy no tokony hanehoany ny maha izy ny vehivavy ka handraisany anjara amin'ny fampandrosoana ny manodidina azy”, hoy i Malalatiana Rasoaniaina nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tetsy Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Martsa 2018
Politique.Filaminana na fikorontanan’ny firenena Any amin’ny parlemanta ny baolina

Hiditra amin’ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana faharoa haharitra 12 andro indray ny parlemanta manomboka rahampitso 10 martsa 2018. Volavolan-dalàna 12 no hodinihina, ka anisan’ny goavana amin’izany ny tolo-dalàna fehizoro momba ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Martsa 2018
Politique.Vehivavy Malagasy Manomboka miditra lalina amin’ny politika

Ny fikambanam-behivavy Sambatsy avy any amin’ny faritr’i Melaky no nandrombaka ny laharana voalohany ka nahazo ny lelavola 20 tapitrisa ariary tamin’ilay fifaninanana “Vehivavy mizaka tena ara-toekarena” nokarakarain’ny minisiteran’ny mponina.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Martsa 2018
Politique.Fivorian’ny depiote Mihoampampana ny fandaniana

Mifarana anio zoma ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany eny amin’ny antenimieram-pirenena. Ny fandinihana ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana no tena nandrasan’ny Malagasy saingy toa mbola tsy tonga eny akory izany. Araka izany dia hitombo indray ny andro hivoriana tsy ara-potoana satria ny votoatin’ny fiantsoana dia ny resaka fifidianana kanefa tsy teo am-pelatanana ireo zavatra hodinihana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Martsa 2018
Politique.Jeunes TIM Antananarivo-Renivohitra Mihetsika amin’ny asa sosialy

Manomboka asa sosialy eto Antananarivo ny Jeunes Tim Antananarivo-Renivohitra tarihan’ny filohany Razanadrakoto Heriniaina Solofo notronin’ny filoha lefitra Andriamiandrisoa Marina sy ny mpanolotsaina monisipaly Lalaina Rabezanahary.

Hamaky ny tohiny
FTT