Politique

Jeunes TIM Antananarivo-Renivohitra Mihetsika amin’ny asa sosialy


  • Zoma 09 Martsa 2018

Manomboka asa sosialy eto Antananarivo ny Jeunes Tim Antananarivo-Renivohitra tarihan’ny filohany Razanadrakoto Heriniaina Solofo notronin’ny filoha lefitra Andriamiandrisoa Marina sy ny mpanolotsaina monisipaly Lalaina Rabezanahary.

Nosantarina teny amin’ny Boriborintany faha-6 ny hetsika fifaninanana mahay manasa lamba an’ireo vehivavy tao amin’ny fokontanin’Ambodivonikely ny alarobia 7 martsa ho tohin’ny efa natao teny Ambohimanandray ny talata 6 martsa 2018 teo.

Nidina ifotony tao amin’ity fokontany .ambodivonkely ity koa ireo tanora ireo, handinika ny fomba handritana ny rano nitoby tamina faritra maromaro tao hatramin’ny volana desambra ka tapaka ny hiaraha-miasa amin’ny mpamonjy voina na « pompiers » amin’ny fitrohana ny rano sy fanariana azy any amin’ny  canal C3 ry zareo. Efa manomboka miteraka aretina ho an’ny mponina ny loto sy fofona avy amin’ireo rano ireo, araka ny fitarainana voaray.

Hajarin’ireo tanora ihany koa ny tetezan-kazo lehibe fivezivezen’ny olona ao an-toerana ary hatao « béton » ny tongony mba hampaharitra azy. Hotohizana any amin’ny boriborintany hafa ny hetsika nosantarina teny Ambohimanarina ity. Nampahafantarina fa miainga amin’ny  filan’ny fokontany avy amin’ny tatitra ataon’ny mpikambana tsirairay no hanapahana ny tetikasa hotanterahina.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT