Politique

Politika sy raharaham-pirenena Mbola tompon’ny ketrika Ratsirahonana


  • Zoma 09 Martsa 2018

Fanta-daza sy havanana amin’ny resaka kajikajy mikasika ny lalàna mifamatotra amin’ny politika eto amin’ny firenena i Norbert Lala Ratsirahonana ary nitety ny vanim-potoana mihitsy. Hita foana ary ampiasain’ny mpitondra hatrany amin’ny fanamarinan-toerana azy amin’ny alalan’ny lalàna isan-karazany.

Tsaroan’ny rehetra tsara ny fanamboamboarana nataony tamin’ireny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ireny nenti-nanamarina fa tsy nanongam-panjakana i Andry Rajoelina, ka nanaovana ny pitsopitson-javatra momba ny lalàna nanadiovana azy. Izy no anisan’ny voatonona ho tena niketrika mafy ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 io, saingy ireny efa nandeha ireny ny adihevitra amin’ny hanovana na hanitsiana azy. Efa ao anatin’ny fanjakana HVM i Norbert Lala Ratsirahonana, voalaza fa tena mbola ianteheran’ny fanjakana amin’ny kajikajy sy mikimaky momba ny lalàna hahafahana mifikitra eo. Tsy hatoro voanjo hadiana amin’ny tontolo politika eto amin’ny firenena Ratsirahonana, ary malaza mihitsy fa tsy azo hatsangana ho fahavalo raha te hahita mangirana eo amin’ny fitondrana sy na koa te hanapaka ela amin’ny fitantanana ny firenena. Hiasa mafy ho an’ny HVM indray izany izao izy amin’ity fifidianana ity, mba hampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina ? Tsy hay aloha izay tena hataony sy kotrehiny ao satria re fa efa nihaona mangingina tamina olobe hafa tsy mifanaraka amin’ny HVM izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT