Hiditra amin’ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana faharoa haharitra 12 andro indray ny parlemanta manomboka rahampitso 10 martsa 2018. Volavolan-dalàna 12 no hodinihina, ka anisan’ny goavana amin’izany ny tolo-dalàna fehizoro momba ny fifidianana.
Betsaka ny andininy miteraka adihevitra. Tsy fantatra ihany koa na ireo efa naparitaky ny fiadidian’ny primatiora tokoa no ho tonga any amin’ny parlemanta. Nisy volavolan-dalàna hafa niparitaka sy efa tonga tany amin’ny haino aman-jery sasany mantsy, ka nisongadina tamin’izany ny fiverenan’ny filoha amin’ny toerany, raha tsy lany hiatrika ny fihodinana faharoa. Miteraka adihevitra ny resaka raharaham-pitsarana sy ara-ketra, izay mason-tsivana hahafaha-mirotsaka. Tsikaritra ho misy ny hevitra ambadika hamotehina olona manokana, toa an’i Marc Ravalomanana, izay henjehina ara-pitsarana noho ny raharaha 7 febroary 2009 sy hamoronana dosie ho tsy nahaloa hetra. Hatreto aloha mbola madio ny “casier judiciaire” na ny taratasy firaketana ara-tsazy ho azy, saingy mora amin’ny fanjakana ny mikitika izany. Maro ireo zavatra mila jerena, toy ny fampihavanam-pirenena, ny tondrozotra nenti-nandamina ny krizy efa navadika ho lalàna, izay mety hisy fifanipahana amin’ity lalàm-pifidianana ity. Eo ihany koa ilay fandrarana ny kandida tsy miankina fa tsy maintsy atolotry ny antoko. Tsy maintsy manangona soniana olom-boafidy (mpanolotsaina monisipaly, ben’ny tanàna, solombavambahoaka, loholona,…) hankato miisa 150, vao afaka manao kandida filoha ireo tsy manana antoko. Soniana olom-boafidy 10 ao amin’ilay distrika kosa raha hirotsaka ho solombavambahoaka. Maro ny adihevitra mikasika ireny rehetra ireny, izay mety ho fanarian-jo ankitsirano ny olom-pirenena. Fandaminana no katsahina, kanefa ahiana hiteraka korontana eto amin’ny firenena ny tsirambina na fanekena be fahatany, izay voasoratra. Any amin’ny parlemanta izany izao ny baolina hampilamina na hampikorontana ny firenena hatreto satria tsy hisy hanaiky verezin-jo izany eto !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.