Mifarana anio zoma ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany eny amin’ny antenimieram-pirenena. Ny fandinihana ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana no tena nandrasan’ny Malagasy saingy toa mbola tsy tonga eny akory izany. Araka izany dia hitombo indray ny andro hivoriana tsy ara-potoana satria ny votoatin’ny fiantsoana dia ny resaka fifidianana kanefa tsy teo am-pelatanana ireo zavatra hodinihana.
Fanekena famatsiam-bola ny ankamaroan’ny lalàna nisongadina sy maika nolaniana tao. Hitombo hanaraka izany ihany koa ny vola laniana amin’ity fivoriana ity noho ny tsy fahamatorana. 192 000 Ar ny an’ny filohan’ny Antenimiera, 150 000Ar ny an’ny birao maharitra ary 124 000 Ar ny an’ny solombavambahoaka araka ny didim-pitondrana laharana 2014-259 izay mametra ny vola tambin-karamma omena azy ireo amin’ny fivoriana tahaka itony. Ankoatr’izay 3 500 000 Ar ny karaman’ny depiote amin’ny fivorian’ny parlemanta. Mety ho tafakatra hatrany amin’ny 5 294 000 Ar miaraka amin’ny tambin-karama ny vola azon’ny depiote araka izany rehefa sendra fivoriana tsy ara-potoana tahaka itony; 151 no isan’ny depiote eto Madagasikara, izany hoe efa manafosafo ny 800 tapitrisa ariary ny vola omena azy ireo. Izany no vola mivoaka kanefa dia iniana hitarina indray ity fivoriana ity. Ny fahasahiranan’ny Malagasy anefa efa iaraha-mahita fa mitombo isan’andro, ka mba inona ary no voka-tsoa azony amin’ny fivoriana hamoahana vola be tahaka ny eny amin’ny antenimieram-pirenena ?
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.