Ny fikambanam-behivavy Sambatsy avy any amin’ny faritr’i Melaky no nandrombaka ny laharana voalohany ka nahazo ny lelavola 20 tapitrisa ariary tamin’ilay fifaninanana “Vehivavy mizaka tena ara-toekarena” nokarakarain’ny minisiteran’ny mponina.
Ny fambolena sy fikarakarana legioma no tetikasan’ity fikambanana ity. Laharana faharoa kosa ny fikambanana Manjaka (Amoron’i Mania) nahazo 10 tapitrisa ariary ary tafiditra laharana fahatelo ny vehivavy avy any Vakinankaratra tamin’ny alalan’ny Ampela Miavotra. Natao indrindra hanohanana sy hampisondrotana hatrany ny vehivavy ity fifaninanana ity ary hahafahan’izy ireo mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena mihitsy aza. Vehivavy an’aliny moa no nilahatra teny Anosy nandritra ny adiny telo omaly ho fanamarihana ny 8 martsa andron’ny vehivavy. Niavaka ny tamin’ity taona ity satria an-jatony ireo vehivavy avy any amin’ny faritra no tonga teto an-drenivohitra. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiainam-pianakaviana sy ny fiainam-pirenena ny vehivavy, ary mitaky hatrany ny fampitoviana zo azy ireo amin’ny lehilahy raha araka ny resaka re teny Anosy omaly. Nifanentana ny amin’ny hidirana lalina kokoa amin’ny politika ihany koa ireo vehivavy nifampitaona teny Anosy Efa misy tokoa eto Madagasikara ny andriambavilanitra minisitra, loholona sy solombavambahoaka ary manana andraikitra lehibe amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy eny anivon’ny sehatra tsy miankina saingy mbola vitsy an’isa izy ireo raha oharina amin’ny lehilahy. Nanome voninahitra ny lanonana omaly teny Anosy moa ny vadin’ny filoham-pirenena Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina notronin’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy sy ireo andefimandrin’ireo manampahefana eto amin’ny firenena sy ireo vehivavy manampahefana. Tazana teny an-toerana ihany koa i Aina Kuric, ilay vehivavy Malagasy voafidy ho solombavambahoaka any Frantsa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.