“Arakaraka ny toerana misy azy no tokony hanehoany ny maha izy ny vehivavy ka handraisany anjara amin'ny fampandrosoana ny manodidina azy”, hoy i Malalatiana Rasoaniaina nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tetsy Antaninarenina omaly.
Mpizaika maherin`ny telopolo avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no nandray anjara tamin`ny atrikasa nokarakarain`ny vehivavy MFM. Araka ny nambaran`ny filoha nasionalin`ny vehivavy MFM dia ny fanabeazana no fototry ny fampandrosoana ho an`ny firenena iray ary izany no tanjona amin`ny atrikasa ho fampiofanana olona hampita ireo traikefa eny anivon`ny fiarahamonina sy eny ifotony. Te hivoatra ihany koa ny vehivavy hahafahana manabe ireo olom-pirenena isam-batan`olona ara-toetsaina, ara-toekarena ary ara-kolotoraly. Hetsika natao hifampitaizana sy hifampizarana haitao ity fampiofanana ity, hoy hatrany ny fanazavana. Hitety faritra ihany koa ireo vehivavy izay nahazo fiofanana manokana ary izy ireo hatrany no hizara sy hampita an`izany. Niarahaba ny vehivavy ihany koa ny loholona Rakotovazaha Olivier, filohan`ny antoko MFM ka nirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana hatrany. Marobe ireo hetsika karakarain’ny fikambanana amin’ny andron`ny vehivavy hanehoana indrindra ny fitakiana ny fampiharana sy ny fanajana ny zon’ny vehivavy. Eto Madagasikara aloha dia mbola lavitra ny afo ny kitay raha ny fanandratana ny maha olombelona feno ny vehivavy no jerena. Mbola miady irery sy miaritra ny mafy ny ankamaroan’ny vehivavy na ankizy na zatovo na renim-pianakaviana. Mbola vitsy ny misitraka ny zony ary resa-be fotsiny ny ataon’ireo fikambanana milaza ho mpanao asa soa sy ireo tompon’andraiki-panjakana maro samihafa. Ny tena olana aza dia matetika ny samy vehivavy no tena tsy manaja io zo io ary ireo nahazo fahefana kely dia manao izay azony atao rehetra hanosihosena ny vehivavy mitovy aminy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.