• Alatsinainy 23 Aprily 2018
Politique.Fitondrana HVM mihosin-drà Hirodana raha tsy milefitra

Efa nampoizina ihany ny hisian’ny fifandonana sy ny sakoroka teny Analakely ny andron’ny sabotsy lasa teo. 17 ireo naratra, 2 no maty, ny 2 efa nody, ary ny 13 mbola arahi-maso, raha ny tatitra nataon’ny hopitaly HJRA tamin’ny alalan’ny Pr Rantomalala. Nalaza fa nisy ny zaza roa maty tao amin’ny hopitalin’ny zaza ao Tsaralalana, saingy nilaza io profesora nanao ny fanambarana io, fa tsy nisy ny namoy ny ainy tao. Nafana ny fifandonana ary miitatra amin’ny fialan’ny filoha ny fitakian’ny depiote noho ny rà mandriaka sy faty olona.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Aprily 2018
Politique.Hery Rajanarimampianina Mbola mandrahona ihany

Nosokajian’ny filoha Hery Rajaonarimampianna ho fanonganam-panjakana ny hetsika notarihan’ireo solombavambahoaa TIM sy MAPAR ny sabotsy 21 aprily lasa teo teny Analakely.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Aprily 2018
Politique.Solonandrasana Mahafaly sy Rivo Rakotovao May volon-tratra ka mody mandamin-dresaka

Amin’ny anaran’ny filoham-pirenena, amin’ny anaran’ny governemanta, ary amin’ny anaran’ny tenako manokana no hitondrako eto ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviana mana-manjo, ary mirary fahasitranana ho an’ireo maratra, hoy ny Praiminisitra somary hafahafa endrika tsy toy ny fahitana azy mahazatra ny sabotsy alina teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Aprily 2018
Politique.Vondrona Eoropeanina Manan-jo haneho hevitra ny olona

Manara-maso akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikarra ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka, tsy efa fa omaly ihany dia efa namoaka fanambarana momba ny zava-nitranga teny Analakely ka nahafatesana sy naharatrana mpanao fihetsiketsehana ny Masoivoho Amerikanina sy ny vondrona eoropeanina.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Aprily 2018
Politique.Olon’ny HVM Manomboka mitsoaka any ivelany ?

Nifanesisesy ny fivoriana isan-tsokajina nandritra ny faran’ny herinandro iny , izany hoe ny sabotsy sy ny alahady, ka ireo tompon’andraikitra sy olom-boafidy ao anatin’ny fitondrana no tena nivory.Anisan’izany ireo solombavambahoaka HVM, ary re fa nisy ny tsy fitovian-kevitra niteraka fifamaliana mihitsy nandritra izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Aprily 2018
Politique.Fampihavanam-pirenena Soa fianatra ny an’ny TIM sy MAPAR

Firehana tsy mitovy, fomba fijery samihafa kanefa mahay manavaka ny hambom-pony sy ny fomba fijeriny ireo depiote TIM sy MAPAR.

Hamaky ny tohiny
FTT