Politique

Olon’ny HVM Manomboka mitsoaka any ivelany ?


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Nifanesisesy ny fivoriana isan-tsokajina nandritra ny faran’ny herinandro iny , izany hoe ny sabotsy sy ny alahady, ka ireo tompon’andraikitra sy olom-boafidy ao anatin’ny fitondrana no tena nivory.Anisan’izany ireo solombavambahoaka HVM, ary re fa nisy ny tsy fitovian-kevitra niteraka fifamaliana mihitsy nandritra izany.

 

Asa na noho izany na efa fandaharam-potoana vita mialoha fa dia tazana nandray fiaramanidina teny Ivato ka niondrana any ivelany omaly alaahady maraina ny depioten’i Betroka Nicolas Randrianasolo izay anisan’ny fatra-piaro izao fitondrana izao.Raha ny ritsoka re dia nihazo an’i Chine ny lehilahy, tsy fantatra mazava izay tena anton-diany, saingy ny resaky ny olona nahita azy teny Ivato sy nahafantatra ny vaovao dia samy nilaza hoe “ mamay be angamba ny toe-draharaha ka mba haka rivotra kely Andramatoa depiote, mba tsy ilazana hoe nitsoaka..”.Tsara ho marihana fa anisan’ireo solombavambahoaka matetika mandeha any ivelany i Nicolas Randrianasolo, manatrika fivoriana saingy tsy nisy fampilazana mialoha na fanambarana mazava tahaka ny fanaony eny Ivato amin’ny mpanao gazety tamin’ity indray mitoraka ity hoe : ho aiza ary hanatrika inona izy fa tonga dia lasa maimaika..tahaka ny nataon’ny filoham-pirenena sy ny fianakaviany ihany ny alakamisy 19 aprily lasa teo.Manomboka misalasala amin’ny zava-msy ka tsy mahatoky tena intsony ve ny olon’ny HVM ka efa mijerijery izay aleha raha sanatria ka vaotery hitsoaka ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT