Manara-maso akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikarra ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka, tsy efa fa omaly ihany dia efa namoaka fanambarana momba ny zava-nitranga teny Analakely ka nahafatesana sy naharatrana mpanao fihetsiketsehana ny Masoivoho Amerikanina sy ny vondrona eoropeanina.
Ho an’ny Amerikanina dia miantso ireo ankolafin-kery rehetra hifehy tena tsy hifampiantsy sy tsy hampiasa herisetra , ary koa manamafy fa mila hajaina ny zo hivory am-pilaminana sy ny fanajana ny lalàna sy ny filaminana.Ho an’ny delegasionin’ny vondrona Eoropeanina eto Madagasikara kosa izay ahitana an’i Frantsa, Alemaina ary ny Royaume Uni araka ny soritan’ilay fanambarana ofisialy dia miondrika am-panajana manolona ireo namoy ny ainy, tahaka ny nambaran’ny Amerikanina ihany ary mankahery ireo naratra.Miantso fifampiresahana eo amin’ireo mpifanandrina politika ny Eoropeanina ary manameloka ny fampiasan-kery.Manizingizina ny amin’ny hanatanterahana fifidianana madio sy mangaraharaha ary tsy misy faniliikilihana amin’ity taona 2018 ity ihany koa ny vondrona Eoropeanina no sady mampatsiahy indray mandeha indray ny maha zava-dehibe ny fanajana ny zon’olombelona, ny fahafahana maneho hevitra ary ny fahafahana mivory am-pilaminana.Manan-jo haneho ny heviny ny olona tsirairay ary anisan’ny tena saro-piaro amin’io ny Eoropeanina ka mitaky ny fanajana an’io amin’ireo izy miara-miasa aminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.