Politique

Fitondrana HVM mihosin-drà Hirodana raha tsy milefitra


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Efa nampoizina ihany ny hisian’ny fifandonana sy ny sakoroka teny Analakely ny andron’ny sabotsy lasa teo. 17 ireo naratra, 2 no maty, ny 2 efa nody, ary ny 13 mbola arahi-maso, raha ny tatitra nataon’ny hopitaly HJRA tamin’ny alalan’ny Pr Rantomalala. Nalaza fa nisy ny zaza roa maty tao amin’ny hopitalin’ny zaza ao Tsaralalana, saingy nilaza io profesora nanao ny fanambarana io, fa tsy nisy ny namoy ny ainy tao. Nafana ny fifandonana ary miitatra amin’ny fialan’ny filoha ny fitakian’ny depiote noho ny rà mandriaka sy faty olona.

 angotraka ny fifandonana

     Tamin’ny 5 ora maraina dia efa rakotra mpitandro filaminana teny Analakely sy ny manodidina ny sabotsy 21 aprily teo. Nanomboka tonga teny Analakely kosa ny vahoaka tany amin’ny tamin’ny 7 ora sy sasany maraina, ary dia nifampitazatazana teo aloha ny andaniny sy ny ankilaky. Tokony ho tamin’ny 10 ora latsaka fahefany kosa no niainga avy any Ambohijatovo ny fiara nitondra ny fanamafisam-peo narahina vahoaka nitanjozotra, izay maro no nilanja sainam-pirenena. Narahina mpitsoka mozika, ary noredonina “Madagasikara tanindrazanay”. Vao tonga teo amin’ny arabe mifanitsy ain’ny tohotohobaton’Antaninarenina anefa dia nirarakompana sahady baomba mandatsa-dranomaso voalohany. Nanomboka niaro tena tamin’ny tora-bato ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanomboka teo ny sakoroka satria feno vahoaka avokoa ny vava-làlana miditra an’Analakely. Niezaka ny nanao ny sakana rehetra ny mpitandro filaminana, saingy nanomboka vaky ny barazy, ka tafiditra voalohan’ny tao amin’ny “Parvis” n’ny lapan’ny tanàna ny depiote Rossy, izay niharan’ny herisetra, ary narahina toraka baomba mandatsa-dranomaso. Tamin’ny 10 ora sy 15 minitra teo ho eo no nidina avy any Ambohijatovo ihany koa i Sareraka nandeha fiara, fa voasakana. Niverina niditra nandeha tongotra avy eo. Nanomboka niditra avy any Ambohijatovo ihany koa ny sasany tamin’ireo depiote, toa an-dry Lanto Rakotomanga, Rahantanirina Lalao, Hiary Andrianaivo,.. Tany amin’ny 11:45 kosa no vaky tanteraka ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana. Niha-nahery vaika ny fifandonana teo, indrindra taty andamosin’ny Lapan’ny Tanàna sy akaikin’ny Lisea Rabearivelo, izay nisian’ny olona miisa 2 voatifitra, ka ny iray teo amin’ny andriny, izay maty teo no ho eo, ary ny iray kosa teo amin’ny takibany. Niala tanteraka ny mpitandro filaminana tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany tany ho any, saingy nisy ireo tavela sy nisitrika tao amin’ny Lapan’ny tanàna. Nisy ny fiara tsy mataho-dàlan’ny mpitandro filaminana iray tavela teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna, ary nisy nandoro.


Miala ny filoha

Nidina teo amin’ny toerana nifanomezana ireo depiote taorian’izay, ary hentitra ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, fa tsy hionona intsony amin’ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka noho ny rà latsaka. Tsy ho tonga amin’izany raha tsy nisy io, hoy izy ireo. Ny firenena dia tsy azo tohizana horaviraviana ohatr’izao, hoy izy. Efa niteny izahay, naverina im-betsaka rehefa olona tsy mihaino minia mikipy, dia mijinja ny nafafiny, hoy izy ny takariva. Ny vahoaka ny Malagasy  nifidy anay, ireo nifidy anay ireo tsirairay ireo tsy hijery ifotony. Matoa izahay tena nijoro hatramin’ny farany, dia ny vahoaka Malagasy no miaraka aminay. Rehefa misy ra latsaka dia efa mihosin-dra ity mpitondra ity, hoy ny fanambarana. Mihosin-dra satria nanome baiko nampamono ny Malagasy mitovy aminao, mihosin-drà satria nandratra, nandatsa-drà ny Malagasy. Misohin-dra satria te hifikitra amin’ny fitondrana. Raha olona manam-pahendrena tsy manao an’izao. Izay no iantsoanay ny olona rehetra, hoy izy. Ny alatsinainy isika rehetra tsy misy miasa, hoy ny hatrany ny fanambarana. Miantso ny sendika. Miantso ny olona rehetra na iza na iza. Izay rehetra tsy mankasitraka ny kolikoly miaraka aminay, hoy izy ireo. Mbola hafana arak’izany ny toe-draharaha ary mety ho lasa lavitra raha tsy mahay milefitra sy mandamin-dresaka haingana ny fitondram-panjakana.


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT