Firehana tsy mitovy, fomba fijery samihafa kanefa mahay manavaka ny hambom-pony sy ny fomba fijeriny ireo depiote TIM sy MAPAR.
Mahatsapa tokoa izy ireo amin`izao fotoana izao fa ilaina ny fiarovana ny tombotsoam-bahoaka sy ny tombotsoa ambonin’ny firenena ary adidin`izy ireo amin`ny maha-solombavambahoaka azy ireo izany. Anatin`izany ny fisian` ny fitonian`ny fiainam-bahoaka sy fiarovana ny aina sy ny fananam-bahoaka ary ny fiheverana ny amin`ny fahantram-bahoaka. Samy manana ny fisainany avokoa ny depiote tsirairay, manana ny fomba fijeriny manokana ihany koa. Ny hevitra tsy mitovy dia tsy maintsy miady. Rehefa miady anefa ny hevitra dia misy ihany koa ny fihoaram-pefy amin`ny fomba fiteny sy ny fihetsika atao. Ny olona mamela heloka kosa dia mahazo tombony betsaka satria mahatsiaro fahafahana amin`ny gejan`ny fankahalana sy ny tsy fitiavana. Ny toe-draharaha iainana ankehitriny dia mampatsiahy ny toe-draharaha politika tamin`ny taona 1991 rehefa akaiky hirodana ny fitondrana tamin`izany. Tsy mahay maka lesona amin`ny tantaram-pirenena hatrany ny mpitondra HVM. Nanao ezaka sy finiavana goavana ny depiote TIM sy MAPAR tamin`ny fanovana ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara satria efa samy nahatsapa fa nisy akony ratsy sy tena nangidy ho an`i Madagasikara ireo krizy nifandimby vokatry ny fifandrafiana sy fifanenjehana. Tsy maintsy misy ny fianarana ataon`ireo mpanao politika, misy ny fanovana ny fomba fisainana tsy maintsy atrehana; zava-dehibe ny fananana toetra manorina nataon`ireto solombavambahoaka ireto. Niray fo sy niray saina izy ireo ary tokony maka lesona amin`ny fampiharana ny atao hoe ``Fampihavanam-pirenena`` avy amin’izy ireo ny fitondrana HVM .
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.