Nosokajian’ny filoha Hery Rajaonarimampianna ho fanonganam-panjakana ny hetsika notarihan’ireo solombavambahoaa TIM sy MAPAR ny sabotsy 21 aprily lasa teo teny Analakely.
Miondrika am-panajana manoloana ireo namoy ny ainy ary mirary fahasitranana ho an’ireo naratra na sivily na mpitandro filaminana nny tenako, hoy izy nandritra ny lahatenyfohy nataony teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly hariva.Efa korontana niteraka fahafatesana, faharatrana ary nitondra takaitra ho an’ny Malagasy foana no nitranga teto nanomboka ny taona 1972 ka hatramin’ny 2009, hoy ny izy.Nampitandrina ireo ambarany fa mbola mikasa hitarika korontana na mamporisika ny mpiara-belona hifandrafy ihany koa i Hery Rajaonarimampianina ary nanamafy fa mijoro hatrany hiaro ny tany tan-dalàna sy ny rafitra demokratika misy, izany hoe ny fitondram-panjakana ny mpitandro filaminana.Nanipazany teny ihany koa ny mpanao gazety mba tsy hiditra ao anatin’ny fanakorontanana na mety fandranitana satria mpanabe vahoaka ianareo, hoy izy.Tsy vahaolana ho an’ny firenena ny fifandranitana, hoy ny filoha ary vonona hatrany ny tenany handala ny fifampiresahana.Hita sy tsapa ho hendratrendratra be ihany ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly, ary efa nampoizina ny lahateniny izay miezaka mampiseho fa misy fanjakana eto ary hampiasa ny fahefany io fanjakana io izany hoe hanohy ny fampiasan-kery raha mbola misy mikasa ny hidina an-dalambe.Tsy takon’afenina intsony anefa raha tarafina tamin’ny zava-nitranga ny sabotsy teo teny Analakely fa misy zavatra tsy milamina amin’ny fitantanana ny firenena ary na ireo mpitandro filaminana aza dia nisy fotoana toa tsy nahalala izay tokony nataony ary dia azo babo moa ny farany.Noheverin’ny maro fa kabary fampitoniana sy hanome vahaolana haingana no nataon’ny filoham-pirenena kinanjo toa vao miha handrehitra afo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.