Amin’ny anaran’ny filoham-pirenena, amin’ny anaran’ny governemanta, ary amin’ny anaran’ny tenako manokana no hitondrako eto ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviana mana-manjo, ary mirary fahasitranana ho an’ireo maratra, hoy ny Praiminisitra somary hafahafa endrika tsy toy ny fahitana azy mahazatra ny sabotsy alina teo.
Ny azonay ambara manoloana iny toe-javatra iny, dia tsy maintsy hanao ny fanadihadiana rehetra ny governemanta mba hahafantarana ny tena zava-misy marina ka nahafoizana iny ain’olona iny, raha ny nambarany mikasika ny rà nandriaka sy ny faty olona. Tsy maintsy hisy fanapahan-kevitra hentitra, hoy ity tompon’andraikitra ity. Manao antso avo amin’ny ankolafin-kery politika rehetra. Na inona na inona mety tsy fifankahazoan-kevitra politika, dia aoka tsy atao ho sakana izany amin’ny fitadiavana izay marimaritra iraisana, hoy ny lehiben’ny Governemanta. Nanambara kosa i Rivo Rakotovao, Filoha nasionalin’ny HVM, sady filohan’ny antenimieran-doholona fa nisy foana ny fahavononana tamin’izay rehetra natao hoe afaka maneho hevitra fa handeha samy hitandro ny filaminana eto amin’ny firenena satria mbola marefo loatra ny fiainam-pirenentsika, ka tsy mahazaka izany korontana izany intsony. Somary nilamina sy tsy nivatravatra ireto tompon’andraikitra ambony ireto tamin’io sabotsy io. Tsy takona nafenina anefa ny somary vava tsy ambina nataon-dry Rivo Rakotovao nialoha izao toe-draharaha izao, ary vitan’ny mpitondra no naniraka mpikarama an’ady politika eraky ny haino aman-jery hanaratsy ny hetsiky ny depiote, izay nohamaivanin’izy ireo tanteraka. Mbola tany amin’ny antenimiera ny resaka lalàm-pifidianana, dia efa afaka nilefitra sy nifampidinika mazava tsara. Efa niitatra zavatra hafa ny raharaha vao nikoropaka, izay toa manaporofo, fa tsy mijery lavitra sy tsy nisoroka ny korontana mihitsy ny HVM, fa fanjakana be mokon-doha fotsiny. Hay ve ka mbola afaka miresaka ihany e ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.