• Alarobia 08 Aogositra 2018
Politique.Jean Max Rakotomamonjy Atosika mafy ho kandida filoha

Nanao fitsidihana tao Sambava ny filohan’ny Antenimeram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy ny 4 aogositra teo, ka nandritra izany no nangatahan’ny depioten’Antalaha Laisoa Jean Pierre na Jaovato azy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 07 Aogositra 2018
Politique.Fanaratsiana kandida na fitenenana hoe “Fidio” Mampikatona haino aman-jery

Tsy azo atao ary mampikatona haino aman-jery ny manaratsy kandida na mampifidy kandida amin’ny haino aman-jery, araka ny lalàna navoakan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 07 Aogositra 2018
Politique.Vahoaka Malagasy Tezaina hifanaratsy

Tsy maintsy miditra amin’ny fanaratsiana ny hafa ve vao afaka manasongadin-tena ? Fanontaniana tsara apetraka io manoloana ny firongatr’ireo fifanaratsiana saika hita sy heno isan’andro amin’ny haino aman-jery sy tambajotra sosialy isan-karazany tato ho ato.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 07 Aogositra 2018
Politique.Fifidianana eto Madagasikara Azo antoka ny korontana hatreto

Tokony hampieritreritra tsara ny Malagasy ny zava-misy momba ny fifidianana any Zimbabwe, Mali amin’izao fotoana. Herisetra sy fifanolanana taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana, izay voalaza fa lany tamin’ny isam-bato 50,8% ny kandidam-panjakana Emmerson Mnangagwa, izay nitondra ny tetezamita taorian’ny nanonganana an’i Robert Mugabe ny novambra 2017.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 07 Aogositra 2018
Politique.Hery Rajaonarimampianina Nampiesonin-dRatsirahonana…

Namadika an-dRajaonarimampianina tanteraka ve izany i Norbert Lala Ratsirahonana izay hita niseho vahoaka teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahanetana Mahamasina nanotrona ny filohan’ny tetezamita teo aloha ny 01 aogositra teo?

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018
Politique.Solonandrasana Mahafaly Olivier “Tafasaraka ny lalana… mila avadika ny pejy”

Isan’ny tompon’andraikitra amin’izay fahombiazana na fahalemen’ny fitondrana ankehitriny ny tenako, hoy ny Praiministra Solonandrasana Mahafaly Olivier raha nivahiny tao amin’ny radio tsy miankina iray omaly atoandro.

Hamaky ny tohiny
FTT