Politique

Solonandrasana Mahafaly Olivier “Tafasaraka ny lalana… mila avadika ny pejy”


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Isan’ny tompon’andraikitra amin’izay fahombiazana na fahalemen’ny fitondrana ankehitriny ny tenako, hoy ny Praiministra Solonandrasana Mahafaly Olivier raha nivahiny tao amin’ny radio tsy miankina iray omaly atoandro.

 Mpanantaneraka ny politika ny filoham-pirenena ny tenako, ary izy no isan’ny mandray izay heverina fa tokony ho atao na tsia teto amin’ny firenena. Nambarany fa dia “hajaiko hatramin’ny farany ny filoham-pirenena amin’izao. Raha tsy izy aho tsy lasa ministra sy Praiministra. Mila mitandrina izy amin’izay ataony satria misy hatrany ny mpamahan-dalitra amin’ny asa izay ataony”. Ankehitriny, tafasaraka ny lalana satria no esorina aho, saingy tsy midika izany fa ho hamingana azy ny tenako. Mila avadika kosa ny pejy hitondrana ny raharaham-pirenena ankehitriny, ary nilaza ho vonona amin’ny fandraisana anjara amin’izany ny tenany. Tsy mbola namaly kosa i Solonandrasana Mahafaly Olivier na hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena. Nambarany kosa fa ilaina fanovana haingana ny lalampanorenana satria tsy mifanaraka amin’ny tena hitondrana ny fampandrosoana ho an’ny firenena ny voarakitra ao. Mikasika ny lalam-pifidianana dia nambaran’i Mahafaly Olivier fa betsaka no torohevitra naroso, saingy izay politikan’ny filoham-pirenena no tsy maintsy tanterahina. Isan’ny olona tena nanao izay heriny ho fanohanana ny filoham-pirenena ny tenako hoy izy ary betsaka no nanaraby azy fa olona mpanompo tsy azo ahodina tao andapa aho tamin’izany. Na ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary ihany koa dia nilaza fa “loyal” manaja ny filoha Rajaonarimampianina nanendry azy ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Olivier.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT