Tsy maintsy miditra amin’ny fanaratsiana ny hafa ve vao afaka manasongadin-tena ? Fanontaniana tsara apetraka io manoloana ny firongatr’ireo fifanaratsiana saika hita sy heno isan’andro amin’ny haino aman-jery sy tambajotra sosialy isan-karazany tato ho ato.
Nisy fotoana moa, toy ny tamin’ny herintaona sy roa taona lasa, ohatra, dia nisy nosamborina ihany ny sasany tamin’ireny nosokajiana ho mpanakorontana an-tambajotran-tserasera ireny. Rehefa nodinihina anefa dia tsy notratrarina izy ireny raha tsy nisy mpanao politika nahatsiaro voatohintohina. Toa zary fositra hatrany amin’ny endrika fanakorontanana amin’ny fomba maoderina toy izany ireo mpanao politika Malagasy ankehitriny na dia atao hoe iraka aza no hampanaovin’izy ireo ilay asa ratsy. Ireo raiamandreny sy mpanao famakafakana mitsikera azy indray no toa raisin’izy ireny ho toy ny adala rehefa jerena ny fihetsiny manentsi-tadiny mandrakariva. Dia mbola fitaizana toy izany hatrany ve no hamahanana izao Malagasy efa revon’ny fahantrana sy fahalovana izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.