Politique

Jean Max Rakotomamonjy Atosika mafy ho kandida filoha


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Nanao fitsidihana tao Sambava ny filohan’ny Antenimeram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy ny 4 aogositra teo, ka nandritra izany no nangatahan’ny depioten’Antalaha Laisoa Jean Pierre na Jaovato azy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena.

 

 Mangataka anao izahay hirotsaka, raha tsy misy antony manokana tsy hahafahanao fa izahay no miantoka ny hoenti-manana hahatongavana amin’izay sehatra izay raha toa ka sitrakao ny fangatahana, hoy ity depiote ity. Tsy nanda i Jean Max Rakotomamonjy, fa voaray ny hafatra ary hojerena amin’ny fotoana mahamety azy na ho eny na ho tsia. Ny resaka mandeha hatry ny ela dia efa miomana ny ho kandida ny tenany, ary io fa mahazo toky ka dia andrasana izay ho fihetsiny ary na etsy amin’ny Lapa fiasany aza, dia misy fotoana ahitana andian’olona maro milahatra, izay tsy hay na tonga haka toromarika na ahoana. Efa misara-dalana tanteraka amin-dRajaonarimampianina sy ny HVM ve izany ity filohana andrim-panjakana ity sa paipaika natao hanaparitahana vato no tanjony ? Nialoha ny 27 jona nisian’ny fanambaran’ny HVM teny amin’ny Carlton Anosy moa, dia nisy ny resaka niely tamin’ny tambajotram-pifandraisana fa niala tao anaty antoko ny depiote Jaovato, saingy nodisoiny io. Mampanantena anefa izy fa vonona amin’ny hoenti-manana izay mazava ho azy aloha fa ao ny resa-bola. Raikitra indray ny sangodim-panina politika, ka andrasana izay ho fihetsiky ny filohan’ny antenimieram-pirenena ato ho ato.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT