Politique

Hery Rajaonarimampianina Nampiesonin-dRatsirahonana…


  • Talata 07 Aogositra 2018

Namadika an-dRajaonarimampianina tanteraka ve izany i Norbert Lala Ratsirahonana izay hita niseho vahoaka teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahanetana Mahamasina nanotrona ny filohan’ny tetezamita teo aloha ny 01 aogositra teo?

Izay filoha iarahany sy miaraka aminy anefa toa midi-kizo hatrany, ary tsy vitan’izay fa potika ny firenena. Namadika an’i Marc Ravalomanana raha niaraka fahiny, ary natokisana mihitsy. Izy no nanamora ny nandraisan’i Andry Rajoelina ny fahefana tamin’ny taona 2009, ka toa namoromporona sy nanao izay fomba rehetra nanamarinana ny fanonganam-panjakana.Mialohan’io dia efa niara-niasa akaiky tamin’i Marc Ravalomanana izy. Tsy nandaitra sy tsy nahomby ny fanadiovana an-dRajoelina matoa nilatsaka ny sazy iraisam-pirenena, ary ireny niaraha-nahita ireny ny fahapotehan’i Madagasikara na ara-toekarena, na ara-tsosialy, na ara-politika,… Voahilika Rajoelina, fa Ratsirahonana kosa nahay nijapy ny lamasinin’ny HVM. Mpanolontsaina ara-politikan-dRajaonarimampianina izy nandritra ny 4 taona, saingy io iaraha-mahita io no niafarany hoe ratsy toerana tanteraka amin’ny fifidianana raha madio izany, ary ny fitantanana ny firenena tena tsy nandeha tamin’ny laoniny. Tsy hay aloha na tena nanolo-tsaina i Norbert Lala Ratsirahonana sy ny hafa na nanipy hoditr’akondro ho an’ny filoha sy ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT