Tokony hampieritreritra tsara ny Malagasy ny zava-misy momba ny fifidianana any Zimbabwe, Mali amin’izao fotoana. Herisetra sy fifanolanana taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana, izay voalaza fa lany tamin’ny isam-bato 50,8% ny kandidam-panjakana Emmerson Mnangagwa, izay nitondra ny tetezamita taorian’ny nanonganana an’i Robert Mugabe ny novambra 2017.
Nahazo 44,3 % kosa i Nelson Chamisa, izay tohanan’i Mugabe, saingy tsy manaiky ny voka-pifidianana noho ny fahatsapany hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna nataon’ny kandidam-panjakana. Miisa 6 no maty farafahakeliny, ary 24 ny ekipan’i Nelson Chamisa no efa nosamborina sy nogadraina. Any Mali indray, dia ny filoha am-perinasa Ibrahim Boubacar Keïta, izay nahazo 41,42 % sy an’i Soumaïla Cissé avy amin’ny mpanohitra nahazo 17,8% no hifampitady amin’ny fihodinana faharoa, ary mety hanohana ity farany ny kandida maro. Ahiana ny gidragidra aorian’ny fihodinana faharoa. Manomboka mafana any RD Congo hiatrika fifidianana amin’ny desambra, satria tsy havela hiditra any amin’ity firenena ity ny isan’ny lehiben’ny mpanohitra Moïse Katumbi. Nandeha kosa ny karazan’ny tsindrin’ny iraisam-pirenena, ka tafody i Jean-Pierre Bemba izay sesitany 11 taona. Gidragidra foana no hiafaran’ny fifidianana rehefa tsy atao ao anatin’ny fitoniana na misy mahatsiaro fa iharan’ny tsindrihazolena, indrindra fa aty Afrika. Eto amintsika izao, dia io iaraha-mahita io ny karazana antsojay mahazo ny kandida sasany, toy ny hoe tadiavina tsy homena taratasy manamarina ny maha ara-dalàna ny antokony, misy ny famoriam-bahoaka sakantsakanana, ary misy ny avela malalaka. Mazava ho azy fa efa misy andian’olona tezitra ao na tsy miteny aza, ary mety hiandry pitik’afo kely.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.