Politique

Fanaratsiana kandida na fitenenana hoe “Fidio” Mampikatona haino aman-jery


  • Talata 07 Aogositra 2018

Tsy azo atao ary mampikatona haino aman-jery ny manaratsy kandida na mampifidy kandida amin’ny haino aman-jery, araka ny lalàna navoakan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.

Ambara fa tsy azon’ny mpanohana kandida na olon-tsotra atao ny manao fanentanana amin’ny haino aman-jery amin’ny tokony hifidianana kandida iray amin’izao fotoana mialoha ny fisokafan’ny propagandy izao. Tsy azo atao ihany koa ny manaratsy kandida iray amin’ny haino aman-jery, raha ny lalàna voalaza fa navoakan’io rafitra io, ary mampikatona haino aman-jery avy hatrany. Toa mahalasa saina ihany izany ary ny famaritana ilay hoe fanaratsiana no tokony hatao mazava tsara. Ny fitanisana sy famakiana bantsilana ny afera maloton’ny kandida iray mantsy izao, dia adika ho fanaratsiana, saingy hiteraka fanenjehana ve izany ? Ny filazan’i Pety Rakotoniaina fa mpangalatra sy mpandroba ary tsy mendrika hitondra firenena intsony i Andry Rajoelina ve izany dia hahafahana manakatona ny orinasan-tserasera namoaka ilay fanehoan-kevitra ? Sa rehefa mpanao politika tsy maninona fa rehefa olon-tsotra no miteny dia mihatra ilay lalàna ? Malalaka ny fanehoan-kevitra fa ny teny hoe « fidio » no tsy azo ampiasaina, hoy ny CENI. Mitarika ny fanesorana an-daharana  kandida avy hatrany ny mametaka peta-drindrina misy soratra hoe “fidio”. Efa nanao io fomba mamohehatra io anefa ny antoko HVM ny 17 martsa 2018 teo tany tany Betroka nandritra ny fitokanana fotodrafitrasa nataon’ny filoha. Nizarana t-shirt misy soratra hoe: “Fidio HVM” ny ankamaroan’ny olona nanotrona tamin’izany, saingy tsy dia niteny sy tsy niloa-bava ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI. Sahy hilaza ve ny CENI fa hanasazy an-dRajaonarimampianina raha mirotsaka amin’ny alalan’ny HVM izay efa malaza ratsy ? Re moa fa toa amin’ny alalan’izany vovonana T… izany no mety handrotsaka azy fa tsy ny HVM. Andrasana e !


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT