• Alakamisy 20 Desambra 2018
Politique.Vondrona iraisam-pirenena CIS- Emo Noraràna tsy hanara-maso ny fifidianana

Ankoatran-dry zareo avy ao amin’ny Ceni na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana eto amintsika dia voalaza fa ilaina koa ny fanampian’ireo fanaraha-mason’ireo vondrona iraisampirenena hafa, raha fintinina sy tsiahivina ny ambetin-dresaky ny avy eo anivon’ity vaomiera ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Desambra 2018
Politique.Marc Ravalomanana “Efa mandresy isika…”

Nihaona tamin’ireo mpiara-dia aminy tetsy amin’ny foiben’ny K25 Belair Ampandrana halina Atoa Marc Ravalomanana, fifampizarana vaovao sy fhaonana voalohany taorian’ny

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Desambra 2018
Politique.Hentitra i Dada “Tsy ekena ny korontana, atokisako ny mpitandro filaminana”

Faly aho, tena faly fa nahavita ny adidiko, hoy ny kandida laharana faha 25 amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fiodinana faharoa, Marc Ravalomanana, raha naneho ny heviny tetsy amin’ny biraom-pifidianany etsy Faravohitra omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Desambra 2018
Politique.Fanodikodinam-bato “Ho gadraina avokoa izay tratra” hoy ny CENI

Tranga anisan`ny nahoraka nandritra ny androm-pifidianana omaly dia ireo biletà tokana nivoaka tao Ambohipo. Tsy nifanaraka tamin` ny isan`ny fitaovana voarakitra an-tsoratra tao anaty baoritra omaly maraina teo satria fitaovana miisa 12 natokana amina biraom-pifidianana 12 no tokony tao anatin`ny baoritra saingy 11 sisa no hita tao.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Desambra 2018
Politique.Fandresena amin’ny fifidianana Miankina amin’ireo faritra be mpifidy

Miandry izay ho voka-pifidianana isika amin’izao fotoana izao hoe: iza amin’ireo kandida roa no ho voafidy hitondra ny firenena? Efa misy ny ampahany amin’ny voka-pifidianana mivoaka amin’ny haino aman-jery samihafa, saingy mbola tsy hahafahana mamantatra ny mety ho lany aloha hatreto.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Desambra 2018
Politique.Fifidianana fihodinana faharoa Nihena ny taham-pahavitrihan`ny mpifidy

Nahatratra 32% ny mpifidy nandray anjara hatramin’ny 12 ora raha 44% izany tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany, raha ny nambaran`ny Ivotoerana SAFIDY nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin`ny mpanao gazety omaly, ary raha ny fahitana azy omaly takariva dia manodidina ny 40% mahery kely izany raha toa ka 53% tamin’ny fihodinana voalohany.

Hamaky ny tohiny
FTT