Nihaona tamin’ireo mpiara-dia aminy tetsy amin’ny foiben’ny K25 Belair Ampandrana halina Atoa Marc Ravalomanana, fifampizarana vaovao sy fhaonana voalohany taorian’ny
fahavitan’ny fifidianana fihodinana faharoa sy taorian’ny fivoahan’ireo ampaham-bokatra voalohany.Anisan’ny tazana teny an-toerana ankoatr’ireo zanak’i Dada maro be ireo kandida nisafidy ny hanohana ny kandida laharana faha 25 toa an’i Mahafaly Solonandrasana, Ny Rado Rafalimanana, Fanirisoa Ernaivo, Imbeh Serge Jovial.Efa mandresy isika hoy i Marc Ravalomanana, matanjaka ny finoana hananako hoy izy ary miantso anareo aho mba hanam-pinoana; nambarany ihany koa fa tafaresaka tamin’ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola an’i Madagasikara izy ny talata lasa teo ary nitsotra taminy ireo fa tena raitra sy matihanina ny fomba fiasan’ny kandida Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy ka mahatoky izy ireo fa ho vitan’i Dada ny fampandrosoana an’i Madagasikara; tsy misy atahorana fa efa hitantsika lakile ary haintsika ny manavotra nyfirenena hoy i Marc Ravalomanana.Nisy moa ny andian’olona nanao karazana barazy teny Ambohimahitsy teny omaly hariva, nahitsy ny tenin’i Dada :tsy misy sakantsakana izany fa efa izahay no tompon-tanàna izao.Nisaotra ireo mpiara-miasa aminy tsy an-kanavaka tao amin’ny foiben’ny KMMR sy tany amin’ny toerana rehetra nolalovany izy ary nanome toky fa tsy maintsy tafarina i Madagasikara.Efa lany i Dada aaaa..hoy i Marc Ravalomanana omaly raha namintina ny resany.
Araka ny fanambaran’i Fano Razakotondrazaka omaly tao amin’ny Radiom-pirenena dia hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaka mialohan’ny faran’ny taona 2018 ny CENI, ary mety ho amin’ny 9 janoary no hanonona ny vokatra ofisialy ny HCC.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.