Politique

Hentitra i Dada “Tsy ekena ny korontana, atokisako ny mpitandro filaminana”


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Faly aho, tena faly fa nahavita ny adidiko, hoy ny kandida laharana faha 25 amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fiodinana faharoa, Marc Ravalomanana, raha naneho ny heviny tetsy amin’ny biraom-pifidianany etsy Faravohitra omaly.

 

 

 

 

 Matoky aho fa hahavita hanova ny firenena isika. Nisaotra ny vahoaka malagasy rehetra ihany koa ny tenany tamin’ny fitoniana nasehon’izy ireo nandritr’izao fotoam-pifidianana rehetra izay. Ilaina, hoy izy, ny manaiky izay vokatra eo saingy ilaina hajaina koa anefa ny fitsipi-dalao. Hanaiky ny vokatra aho raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Ny zava-misy ary matoa aho sahy milaza azy dia marina, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Ny marina marina foana. Vao omaly alina (TTF: Talata 18 desambra 2018) aho, hoy izy no nandray ireo adminisitratera sivily. Nisy koa ireo lehiben’ny distrika. Nijoro vavolombelona izy ireo fa tena nisy ny famoriana tsy ara-dalàna nataon’ny minisitry ny atitany. Nandray volabe mitentina 25 tapitrisa avy izy ireo hanetsehana ny sefo fokontany sy delege. Efa ireny hitantsika nijoro vavolombelona ireny koa ny tale jeneralin’ny tranom-printim-pirenena sy ireo natao fitaovana tamin’ny fihodinana voalohany, hoy hatrany ity filoham-pirenena teo aloha. Nanamafy, araka izany ny tenany, fa hametraka fitoriana sy fitaraina niantefa tamin’ny filoham-panjakana na ireo vondrona iraisam-pirenena toy ny SADC. Tena misy ireo karatra hosoka.

Matoky ny mpitandro filaminana

Miisa 290, hoy ny tenany, ireo toerana voatsidiko ary tena hitako ny fahavononan’ny olona. Hitako tsara amin’izay izao ny hanaovana ilay “Leadership pragmatique”. Tena tsy mampanonofy io, hoy ny tenany, fa tena mijery ny laharam-pahamehana hoe mila misakafo aloha ny olona ary mila fandriampahalemana. Nanambara moa ny tenany fa tsy manahy korontana satria matoky ny mpitandro filaminana fa handray ny andraikitr’izy ireo arak any tokony ho izy. Nanamafy ny rehetra kosa anefa ny filoha Marc Ravalomanana mba tsy hatahotra hilaza ny marina.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT