Politique

Vondrona iraisam-pirenena CIS- Emo Noraràna tsy hanara-maso ny fifidianana


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Ankoatran-dry zareo avy ao amin’ny Ceni na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana eto amintsika dia voalaza fa ilaina koa ny fanampian’ireo fanaraha-mason’ireo vondrona iraisampirenena hafa, raha fintinina sy tsiahivina ny ambetin-dresaky ny avy eo anivon’ity vaomiera ity.

 

 

 Nahagaga anefa fa iray andro mialohan’ny fifidianana, izany hoe ny talata faha 18 desambra lasa teo, dia nandray fanapahan-kevitra indray ny avy eo anivon’ny CENI, fa tsy ho isan’ireo vondrona afaka mandray anjara tamin’ny fanaraha-maso iny fifidianana fiodinana faharoa iny ny Commonwealth of Independent States-Election Monitoring Organisation na CIS- Emo. Araka izany, dia nampiharin’ny Ceni ny fanapahan-kevitra laharana 421/CENI/2018 tamin’ny 18 desambra, izay manafoana ny fanapahan-kevitra laharana 303/CENI/2018 noraisin-drizareo ny 25 oktobra lasa teo. Fanontaniana mipetraka noho izany hoe inona no antony? Voarakitra mazava tamin’io fanapahan-kevitry ny CENI ny volana oktobra io anefa fa isan’ireo vondrona iraisam-pirenena afaka mandray anjara feno amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana filoham-pirenena fiodinana faharoa ny CIS- Emo. Nanambara moa ireto vondrona iraisam-pirenena ireto fa fanampiana sy fanomezan-tanana ny amin’ny mba hisian’ny mangarahara amin’ny fifidianana fotsiny ihany no iraka nampanaovina azy. Nolavin’ny CENI tamin’ny andro farany anefa izany fikasanay izany. Tsy mieritreritra velively ny hitsabaka amin’ny raharaham-pirenen’ny Malagasy izahay, hoy ny solontenan’izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT