Politique

Fandresena amin’ny fifidianana Miankina amin’ireo faritra be mpifidy


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Miandry izay ho voka-pifidianana isika amin’izao fotoana izao hoe: iza amin’ireo kandida roa no ho voafidy hitondra ny firenena? Efa misy ny ampahany amin’ny voka-pifidianana mivoaka amin’ny haino aman-jery samihafa, saingy mbola tsy hahafahana mamantatra ny mety ho lany aloha hatreto.

 

 

 

 Samy niezaka ireo kandida tamin’ny fampielezan-kevitra, fa raha ny tsikaritra aloha dia nihatsara ny vaton’ny kandida Marc Ravalomanana tany amin’ny faritra, toy ny any Toamasina Renivohitra, Mahajanga, Morondava,… raha jerena amin’ny vokatra vonjimaika mivoaka. Raha hiverenena ny vokatra tamin’ny fihodinana voalohany, dia faritra miisa 9 (Analamanga, Alaotra Mangoro, Boeny, Bongolava, Betsiboka, Itasy, Menabe, Amoron’i Mania, Vatovavy Fitovinany)  no nitarihany raha toa ka 12 ny an-dRajoelina, ary iray kosa ny an’i Hery Rajaonarimampianina dia ny faritra Sava. Tsy ny fitarihana isaky ny faritra anefa no fikaotiana ny voka-pifidianana fa ny isan’ny mpifidy mandrotsa-bato, ka na mitarika amina isan-jato ambony betsaka aza kanefa vitsy ny mpifidy, ary ambany ny taham-pahavitrihana dia mety tsy dia ho hita firy izany rehefa mandeha ny tambatr’isa. Ny faritra  Analamanga no be mpifidy indrindra satria manana mpifidy voasoratra anarana 1 906 399. Aorian’ny fitambaran’ireo distrika miisa 5 eto Antananarivo Renivohitra, dia anisan’ny be mpifidy indrindra ny distrikan’Antananarivo izay 335 608 no voasoratra anarana. Ny isan’ny mpifidy any amin’ny faritra DIANA sy Matsiatra Ambony mitambatra ihany koa, ohatra, no manome mpifidy mitovitovy isa amin’ny any Vakinankaratra, izay maherin’ny 7 hetsy ny mpifidy voasoaratra anarana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT