Tranga anisan`ny nahoraka nandritra ny androm-pifidianana omaly dia ireo biletà tokana nivoaka tao Ambohipo. Tsy nifanaraka tamin` ny isan`ny fitaovana voarakitra an-tsoratra tao anaty baoritra omaly maraina teo satria fitaovana miisa 12 natokana amina biraom-pifidianana 12 no tokony tao anatin`ny baoritra saingy 11 sisa no hita tao.
Ny alin`ny talata 18 desambra anefa, nanatitra ireo “carnet”miisa valo misy ireo biletà tokana ny mpomba an`i Marc Ravalomanana niaraka tamin`ny vadin-tany teny anivon`ny CENI ary voamarina fa ireo biletà tokana ireo no tsy hita teny amin`ny fokotany Andohan`Mandroseza. Efa nanomboka ny maraina ihany ny fanadihadiana samihafa mahakasika ny fahverezana fonosana natokana tamina birao fandatsaham-bato iray tetsy Ambohipo. Tsy niandry ela ihany koa ny voamiera misahana ny fifidianana (CENI) fa dia naka ny fanapahan-kevitra mifanandrify ary nanazava fa raha ny tokony ho izy, mandritra ny fisokafan`ny birao fandatsaham-bato amin`ny enina (6) ora maraina vao tokony hisokatra ireo fitoeran`ireo biletà tokana ireo. Hentitra ny filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana, nambarany fa migadra avokoa izay olona manao fandikan-dalàna amin izao fifidianana izao. Hitory ny CENI ary tsy hiala maina amin`izany izay nahavanon-doza ka iharana fanasaziana avokoa ireo rehetra manao fanodikodinam-bato. Tsy mbola voafaritra ireo tompon`antoka tamin`ny famoahana biletà tokana saingy efa misokatra ny fanadihadiana hoy ny filohan`ny CENI saingy kosa misy ireo olona ahiahiana. Efa nisy solony ireo biletà tokana mba hampizotra ara-dalàna ny fifidianana eny Ambohipo ary lasa “pièce à coviction “ireo biletà nivoaka. Andrasana ny tohin`ny raharaha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.